Boky Faharoan'i Samoela

Toko faha-9

1 Ary hoy Davida: Mbola misy olona amin'ny fianakavian'i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatasy?

2 Nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saola anankiray izay kosa, atao hoe Sibà, dia nantsoina hankeo amin'i Davida izy io, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao va no Sibà? Ary hoy ny navaliny azy: Mpanomponao! 3 Ka hoy ny mpanjaka: Tsy misy olona amin'ny fianakavian'i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an'Andriamanitra? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa. 4 Ary hoy ny mpanjaka: Aiza izy izay? Ary hoy ny navalin'i Sibà tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, any Lodabara. 5 Dia nampanalain'i Davida mpanjaka tany an-tranon'i Makira zanak'i Amiela tany Lodabara izy. 6 Nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta zanak'i Jonatasy zanak'i Saola, dia niondrika tamin'ny tany sy niankohoka. Ka hoy Davida: Mefiboseta! Ary hoy ny navaliny: Inty ny mpanomponao. 7 Dia hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa te-hanisy soa anao aho, noho ny rainao Jonatasy. Ny tanin'i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary hianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. 8 Niankohoka izy, sady nanao hoe: Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy? 9 Dia nantsoin'ny mpanjaka Sibà mpanompon'i Saola, ka hoy izy taminy: Atolotro ny zanaky ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saola sy ny ankohonany.

10 Ka hianao sy ny zanakao lahy mbamin'ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman'ny zanaky ny tomponao, ary Mefiboseta zanakalahin'ny tomponao, dia hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Nanan-janaka lahy dimy ambin'ny folo, sy mpanompo roapolo, Sibà. 11 Ary hoy Siba tamin'ny mpanjaka: Hataon'ny manomponao avokoa izay rehetra nandidian'ny mpanjaka tompoko, ny mpanompony. Mefiboseta dia nihinana teo amin'ny latabatr'i Davida, toy ny iray amin'ny zanaky ny mpanjaka. 12 Nanan-janakalahy iray mbola tanora atao hoe Mika, Mefiboseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Sibà. 13 Nonina tany Jerosalema Mefiboseta, fa nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0939