Boky Faharoan'ny Tantara

Toko voalohany

1 Niorina mafy tamin'ny fanjakana Salomona zanak'i Davida; nomba azy Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin'ny ambaratonga ambony indrindra.

2 Ary nisy didy nomen'i Salomona ho an'Israely rehetra, dia ny tompon'arivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin'Israely ary ny loham-pianakaviana.

3 Ka niara-niakatra tamin'ny fiangonana rehetra Salomona ho any amin'ny fitoerana avo any Gabaona. Fa tao ny trano lay fihaonan'Andriamanitra nataon'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, tany an'efitra; 4 ny fiaran'Andriamanitra kosa efa nafindran'i Davida, avy any Kariathiarima ho any amin'ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy. 5 Ilay otely varahina nataon'i Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, dia tany koa, teo anoloan'ny tabernaklan'ny Tompo. Nitady an'ny Tompo tany Salomona sy ny fiangonana. 6 Dia tao ihany, teo ambonin'ilay otely varahina, teo anoloan'ny Tompo, akaikin'ny trano lay fihaonana, no nanoloran'i Salomona sorona dorana arivo. 7 Nony alina, niseho tamin'i Salomona Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Angataho izay tianao homeko anao.

8 Dia hoy ny navalin'i Salomona an'Andriamanitra: Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin'i Davida raiko, ary izaho no nampanjakainao handimby azy. 9 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin'i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin'ny vahoaka maro toy ny vovon-tany aho. 10 Omeo fahendrena amam-pahazavan-tsaina aho hahaizako ny tokony hataoko eo anatrehan'ny vahoakanao. Fa iza no hahay mitsara ny vahoakanao, dia izao vahoaka be dia be izao? 11 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain'ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

12 koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin'ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany. 13 Avy tao amin'ny fitoerana avo tao Gabaona sy tao amin'ny trano lay fihaonana Salomona, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin'Israely. 14 Nanangona kalesy amam-pitaingin-tsoavaly Salomona, ka nanan-kalesy efa-jato sy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay napetrany tamin'ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin'ny mpanjaka.

15 Ny volafotsy amam-bolamena tany Jerosalema, nataon'ny mpanjaka an-kabetsahana tahaka ny vato; ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka. 16 Avy any Ejipta no nihavian'ny soavalin'i Salomona, antokony iray tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka no nandeha naka azy amin'andiany, araka ny vidiny efa nifanekena: 17 volafotsy enin-jato sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary dimampolo amby zato sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak'izany ihany koa no nitondran'izy ireo ho an'ny mpanjakan'ny Heteana rehetra sy ny mpanjakan'i Siria. 18 Nikasa hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo sy lapa ho an'ny tenany Salomona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905