Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-10

1 Ary nankany Sikema Roboama, fa efa nandeha nankany Sikema Israely rehetra hampanjaka azy.

2 Nony nandre izany Jeroboama zanak'i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an'i Salomona mpanjaka, 3 dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain'ny olona. Tamin'izay, dia nanatona Jeroboama sy Israely rehetra ka niteny tamin-dRoboama nanao hoe: 4 Rainao dia nampitondra jioga mavesatra anay, ka ankehitriny hamaivano ny fanompoana mafy nampitondrain-drainao anay sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay. 5 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Rahefa afaka hateloana, miverena aty amiko indray hianareo. Dia lasa ny vahoaka. 6 Roboama kosa nila hevitra tamin'ireo zokiolona nanotrona an'i Salomona rainy, fony fahavelony, fa nanao hoe: Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?

7 Dia niteny taminy ireo nanao hoe: Raha mora fo amin'ity vahoaka ity hianao, ka mandray azy tsara sy manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. 8 Navelan-dRoboama anefa ny torohevitra nomen'ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin'ireo: 9 Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka manao amiko hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay? 10 Ka izao kosa no navalin'ireo tovolahy indray nihira taminy, azy: Izao no lazao amin'ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa hianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan'idada ny ankihikeliko. 11 Koa izao ary, jioga mavesatra no nampitondrain'idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan'idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo. 12 Tonga teo amin-dRoboama Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, tamin'ny andro fahatelo, araka ny tenin'ny mpanjaka hoe: Rahefa afaka hateloana, miverena aty amiko indray hianareo;

13 ary teny mafy no navalin'ny mpanjaka azy ireo. Namela ny torohevitry ny zokiolona 14 Roboama mpanjaka, fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan'idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo. 15 Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon'Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Ahiasa avy any Silao tamin'i Jeroboama zanak'i Nabata. 16 Rahefa hitan'Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin'ny vahoaka ny mpanjaka: Manana anjara inona amin'i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin'ny zanak'Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely. Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao! Dia samy nody ho any an-dainy avy Israely rehetra.

17 Ny zanak'Israely nonina tamin'ireo tanànan'i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRoboama. 18 Tamin'izay Roboama mpanjaka naniraka an'i Adorama lehiben'ny mpamory hetra; fa ny zanak'Israely rehetra nitora-bato an'i Adorama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana Roboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema. 19 Toy izany no niendahan'Israely tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812