Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-11

1 Nony tafaverina tany Jerosalema Roboama, dia namory ny taranak'i Jodà sy Benjamina, mpiady voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin'Israely hampody ny fanjakana amin-dRoboama.

2 Kanjo tonga tamin'i Semaiasa olon'Andriamanitra, ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 3 Mitenena amin-dRoboama, zanak'i Salomona, mpanjakan'i Dofa, sy amin'Israely rehetra eo amin'i Jodà sy Benjamina ka lazao hoe: 4 Izao no lazain'ny Tompo: Aza miakatra ary aza miady amin'ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy hianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'ny Tompo izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin'i Jeroboama. 5 Nitoetra tao Jerosalema Roboama; ary nanorina tanàna mimanda tamin'i Jodà.

6 Izao no naoriny: Betleema, Etma, Tekoe, 7 Betsora, Sokao, Odolama, 8 Geta, Maresà, Zifa, 9 Adorama, Lakisa, Azekà, 10 Saraà, Aialòna ary Hebròna; tanàna mimanda ao amin'i Jodà sy Benjamina ireo. 11 Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitehirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy. 12 Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. Jodà sy Benjamina dia azy. 13 Ny mpisorona sy Levita izay teo amin'Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRoboama, avy any amin'ny faritaniny rehetra avy.

14 Fa nandao ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak'i Levì, ka nankany Jodà sy Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin'i Jeroboama tamin'ny raharaham-pisoronana fankalazana an'ny Tompo, 15 fa nanangana mpisorona izy io ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny osilahy, ary ho an'ny zanak'omby nataony. 16 Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin'ny fo tokoa hitady an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, avy amin'ny firenen'Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 17 Nankahery ny fanjakan'i Jodà izy, tamin'izany, ka nampiorina tsara an-dRoboama zanak'i Salomona, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin'ny làlan'i Davida sy Salomona izy ireo, telo taona. 18 Nalain-dRoboama ho vady Mahalata, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida sy Ahihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'Isaia,

19 ka nitera-dahy taminy izy, dia Jehosa, Somorià, ary Zoma. 20 Manaraka an'io dia mbola naka an'i Maakà zanakavavin'i Absaloma izy, ka niteraka an'i Abià, Etaia, Zizà ary Salomita, taminy. 21 Maakà zanakavavin'i Absaloma no tian-dRoboama indrindra, tamin'ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enimpolo izy; ary niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. 22 Abià, zanakalahin'i Maakà no nataon-dRoboama loha laharana, ho filohan'ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina. 23 Naeliny tamin-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin'ny tanin'i Jodà sy Benjamina rehetra, tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0507