Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-12

1 Nony nohamafisin'i Roboama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn'ny Tompo izy mbamin'Israely rehetra.

2 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRoboama, dia niakatra Sesàka mpanjakan'i Ejipta hamely an'i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin'ny Tompo. 3 Nitondra kalesy roan-jato amby arivo, mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libiana, ny Sokiana, ny Etiopiana. 4 Afany ny tanàna mimanda tamin'i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy. 5 Dia tonga Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRoboama sy ny filohan'i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Efa nahafoy ahy hianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan'i Sesàka.

6 Ary nanetry tena ireto filohan'Israely sy ny mpanjaka, ka nanao hoe: Marina Iaveh! 7 Nony hitan'ny Tompo fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin'i Semaiasa ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin'i Jerosalema, amin'ny tànan'i Sesàka aho. 8 Kanefa hanompo an'io ihany izy ireo, mba samy ho fantany na ny manompo ahy na ny manompo ny fanjakan'ny tany. 9 Dia niakatra namely an'i Jerosalema Sesàka mpanjakan'i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon'i Salomona.

10 Ampinga varahina no nataon-dRoboama mpanjaka solon'ireo, dia napetrany teo an-tanan'ny lehiben'ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirina amin'ny tranon'ny mpanjaka. 11 Ka isaky ny nankao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an'efi-tranon'ny mpihazakazaka indray. 12 Noho Roboama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran'ny Tompo, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin'i Jodà. 13 Ary nitombo hery tao Jerosalema Roboama mpanjaka, ka dia nanjaka. Iraika amby efapolo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany, tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin'ny Tompo tamin'ny fokon'Israely rehetra, hametrahana ny anarany. Naamà, Amonita, no anaran-dreniny.

14 Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin'ny fitadiavana an'ny Tompo. 15 Ny asa nataon-dRoboama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Semaiasa mpaminany, sy ny an'i Adao mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva Roboama sy Jeroboama.

16 Ary nodimandry any amin'ny razany Roboama ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Abià zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081