Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-13

1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama no vao nanjaka tamin'i Jodà Abià, ary telo taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Ny anaran-dreniny, dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gabaa. Niady Abia sy Jeroboama. 3 Ka Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, efatra hetsy; fa lehilahy voafantina valo hetsy, mpiady mahery, kosa no nalahatr'i Jeroboama hiady aminy. 4 Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semerona, teo amin'ny tendrombohitr'i Efraima, Abià ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy Israely rehetra!

5 Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ho an'i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin'Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin'ny fanekena tsy azo dikaina? 6 Ary nitsangana nikomy tamin'ny tompony kosa Jeroboama, zanak'i Nabata, mpanompon'i Salomona zanak'i Davida. 7 Olona tsinontsinona, zanak'i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRoboama zanak'i Salomona. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra Roboama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo. 8 Ary hianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan'ny fanjakan'ny Tompo izay eo an-tanan'ny taranak'i Davida; sady vahoaka maro be hianareo, ary miaraka aminareo ny zanak'omby volamena nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo. 9 Tsy efa narianareo va ny mpisoron'ny Tompo, dia ny taranak'i Aarona sy ny Levita, ary moa tsy nanangam-pisorona ho anareo va hianareo, toy ny firenen'ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr'ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron'izay tsy Andriamanitra. 10 Fa ny anay kosa: Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy azy izahay, ny taranak'i Aarona no mpisorona manao fanompoana ho an'ny Tompo, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany. 11 Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin'ny Tompo isan'andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin'ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin'ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin'ny Tompo Andriamanitray, fa hianareo kosa nandao azy. 12 Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin'ny trompetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, ry zanak'Israely, fa tsy hahomby anie hianareo! 13 Nasain'i Jeroboama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa teo anoloan'i Jodà, ny otrika teo ivohony.

14 Niherika Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin'ny Tompo izy, ary nitsoka trompetra ny mpisorona. 15 Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin'i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin'i Jodà, Iaveh kosa namely an'i Jeroboama sy Israely rehetra teo anoloan'i Abià sy Jodà. 16 Dia nandositra teo anoloan'i Jodà ny zanak'Israely ary natolotr'Andriamanitra ho eo an-tànany. 17 Ka nataon'i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina dimy hetsy no maty niampatrampatra tamin'Israely. 18 Naetry ny zanak'Israely tamin'izany andro izany, ka nihamahery kosa ny taranak'i Jodà, satria niankina tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy. 19 Notanahin'i Abià Jeroboama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: Betela sy ny tanàna momba azy; Jesàna sy ny tanàna momba azy; Efrona sy ny tanàna momba azy. 20 Tsy nahazo hery intsony Jeroboama tamin'ny andron'i Abià, fa nokapohin'ny Tompo izy ka maty. 21 Abià kosa nitombo hery, nanambady efatra amin'ny folo izy, ary niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina ambin'ny folo. 22 Ny sisa tamin'ny asan'i Abià mbamin'ny nataony sy ny teniny, dia efa voasoratra ao amin'ny boky Fitadidian'i Adao mpaminany.

23 Ary nodimandry any amin'ny razany Abià ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Asà zanany no nanjaka nandimby azy. Nandry folo taona ny tany tamin'ny androny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2194