Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-14

1 Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny, Asà. Nandrava ny otelin'ny olona hafa firenena sy ny fitoerana avo izy,

2 ary nanorotoro ny tsangambato sy ny aserah. 3 Nandidy an'i Jodà mba hitady an'ny Tompo Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy. 4 Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, ka dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany. 5 Nanao tanàna mimanda tamin'i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin'izany taona izany, satria nomen'ny Tompo fitsaharana izy.

6 Izao no nolazainy tamin'i Jodà: Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an'ny Tompo Andriamanitsika isika; nitady azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin'ny manodidina rehetra. Dia nanorina izy ireo ka nahefa. 7 Izao no tafika nananan'i Asà: Telo hetsy miaramila an-defona sy ampinga, tamin'i Jodà; valo alina sy roa hetsy, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin'i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.

8 Fa nivoaka hiady tamin'ireo Zarà, Etiopiana, nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka nandroso hatrany Maresà.

9 Dia nivoaka hiady aminy Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefata akaikin'i Maresà izy. 10 Niantso an'ny Tompo Andriamaniny Asà ka nanao hoe: Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa hianao no iankinanay, ary amin'ny anaranao no nandrosoanay hiady amin'ireto vahoaka be ireto, hianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza haharesy anao anie ny olona! 11 Dia nasian'ny Tompo teo anoloan'i Asà sy Jodà, ny Etiopiana, ka vaky nandositra ny Etiopiana. 12 Nenjehin'i Asà sy ny vahoaka nomba azy izy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiopiana lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan'ny Tompo sy eo anatrehan'ny tafiny. Babo tsy erany no azon'i Asà sy ny vahoakany. 13 Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an'i Gerara, fa azon'ny fahatahorana an'ny Tompo ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao. 14 Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0462