Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-15

1 Tonga tamin'i Azariasa zanak'i Obeda ny Fanahin'Andriamanitra

2 ka nandeha nitsena an'i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo Iaveh raha momba azy hianareo; raha mitady azy hianareo, dia hety ho hitanareo izy, fa raha mahafoy azy kosa hianareo, dia mba hahafoy anareo koa izy. 3 Nandritra ny fotoana ela Israely, dia tsy nanana an'Andriamanitra marina, tsy nanam-pisorona mpampianatra, tsy nanan-dalàna, 4 fa tao anatin'ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an'ny Tompo Andriamaniny, dia nitady azy, ka mba nety ho hitany izy. 5 Fahizany, nandry an-driran'antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan'ny fikorontanam-be ny mponina rehetra tamin'ny tany. 6 Nifandramatra ny samy firenena sy ny samy tanàna, fa notabatabain'Andriamanitra tamin'izao karazam-pahoriana rehetra izao. 7 Koa mahereza hianareo, ary aza miraviravy tànana, fa hisy valisoa ny ataonareo. 8 Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian'i Obeda mpaminany, Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tanin'i Jodà sy Benjamina ary ny tanàna azony tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, sady nohavaoziny ny otelin'ny Tompo teo anoloan'ny alo-baravaran'ny Tompo.

9 Novoriny daholo Jodà sy Benjamina mbamin'ireo avy amin'i Efraima sy Manase ary Simeona, izay tonga nonina teo aminy, fa betsaka ny olona tamin'Israely no tonga niandany taminy, nony nahita fa nomba azy Iaveh Andriamaniny. 10 Dia nivory tao Jerosalema izy ireo, tamin'ny volana fahatelon'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asà. 11 Tamin'izay andro izay, omby fiton-jato sy ondry fito arivo, tamin'ny babo nentiny, no nataony sorona ho an'ny Tompo. 12 Nametra-teny am-pahibemaso izy ireo fa hitady an'ny Tompo Andriamanitry ny razany amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra; 13 ka na zovy na zovy tsy hitady an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy. 14 Nanao feo avo izy nianiana tamin'ny Tompo tamin'ny hobin-kafaliana sy feon-trompetra aman'anjomara. 15 Nahafaly an'i Jodà rehetra erý izany fianianana izany, satria nianiana tamin'ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an'ny Tompo an-tsitra-po tokoa, ka nety ho hitany izy, ary nomen'ny Tompo fiadanana tamin'ny manodidina rehetra izy. 16 Ka Maakà reniny aza, dia naongan'i Asà mpanjaka, tamin'ny fiandrianany amin'ny maha-renin'Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an'i Astarte. Nazeran'i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedròna.

17 Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin'Israely, na dia lavorary aza ny fon'i Asà tamin'ny andro niainany rehetra. 18 Napetrany tao an-tranon'ny Tompo ny zavatra nohamasinin-drainy sy ny zavatra nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy amana volamena ary kapoaka. 19 Tsy nisy intsony ny ady hatramin'ny taona fahadimy amby telopolo nanjakan'i Asà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1158