Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-16

1 Tamin'ny taona fahenina amby telopolo nanjakan'i Asà dia niakatra hamely an'i Jodà, Baasà mpanjakan'Israely, ka naoriny Ramà mba hisakana ny olon'i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

2 Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka Asà, ka nandefa iraka ho any amin'i Ben-Hadada, mpanjakan'i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe: 3 Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin'ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary hianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin'i Baasà, mpanjakan'Israely, mba hialany amiko. 4 Nohenoin'i Ben-Hadada, Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan'Israely ny filohan'ny tafiny, dia noreseny Ahiona sy Dana ary Abela-Maima mbamin'ny tanàna fitehirizana rehetra teo amin'i Neftalì. 5 Nony nandre izany Baasà dia natsahany ny fanorenana an'i Ramà, ary najanony ny asany. 6 Ka nalain'i Asà Jodà rehetra, dia nentin'izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan'i Baasà an'i Ramà, dia nanorenany an'i Gabaà sy Masfà. 7 Tamin'izany andro izany no nahatongavan'i Hananì mpahita, tao amin'i Asà, mpanjakan'i Jodà, nilaza taminy hoe: Noho hianao niankina tamin'ny mpanjakan'i Siria, fa tsy tamin'ny Tompo Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tànanao ny tafiky ny mpanjakan'i Siria.

8 Moa ny Etiopiana sy ny Libiana va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy amam-pitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho hianao niankina tamin'ny Tompo dia natolony teo an-tànanao ireny. 9 Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason'ny Tompo mba hanohanany an'izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala hianao tamin'io raharaha io, fa amin'ny sisa dia hanana ady hianao. 10 Tezitra tamin'ilay mpahita Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin'io izy, noho ny tenin'io. Nisy olona sasany tamin'ny vahoaka koa nampahorin'i Asà tamin'izany andro izany indrindra. 11 Ary indro fa ny asan'i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely.

12 Tamin'ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan'i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin'izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.

13 Dia nodimandry any amin'ny razany Asà; ary tamin'ny taona faharaika amby efapolo nanjakany no nahafatesany. 14 Nalevina tao amin'ny fasana nolavahany ho an'ny tenany, ao an-tanànan'i Davida izy; ary nampandrina tamin'ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan'ny mpahay zava-manitra, ary be dia be ny zava-manitra nodorana koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1038