Boky Faharoan'ny Tantara
2 Tantara toko 17
Josafata mpanjakan'i Jodà - Fitiavany vavaka sy fanambinana azy.
1Josafata zanak'i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin'Israely, 2nametraka antoko-miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra amin'i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin'ny tanànan'i Efraima efa azon'i Asà rainy. 3Nomban'ny Tompo Josafata fa nandeha tamin'ny làlana voalohany nalehan'i Davida rainy; tsy nikatsaka an'ireo Baala izy 4fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon'Israely. 5Koa nohamafisin'ny Tompo teo an-tànany ny fanjakana ary nitondran'i Jodà rehetra fanatitra Josafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be. 6Nitombo ny herim-pony teo amin'ny làlan'ny Tompo, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin'ny aserah teo amin'i Jodà.
7Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin'ny tanànan'i Jodà, ireto lehibe ireto: Bena-Haila, Obdiasa, Zakariasa, Natanaela ary Mikeasa, 8sy ireto Levita ireto niaraka taminy: Semeiasa, Nataniasa, Zabadiasa, Asaela, Semiramota, Jonatàna, Adoniasa, Tobiasa, Tobadoniasa; ary niaraka tamin'ireo koa ireto mpisorona ireto: Elisamà sy Jorama. 9Nampianatra tao amin'i Jodà ireo, nitondra ny bokin'ny lalàn'ny Tompo; nitety ny tanànan'i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin'ny vahoaka.
10Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Jodà, ka tsy niady tamin'i Josafata izy ireo. 11Nisy Filistina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an'i Josafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy fiton-jato amby fito arivo, sy osilahy fiton-jato amby fito arivo. 12Efa nandroso amin'izay hampisondrotra azy ho amin'ny voninahitra ambony indrindra Josafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitehirizana teo amin'i Jodà izy. 13Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin'ny tanànan'i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema. 14Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin'i Jodà dia ireto no tompon'arivo: Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery telo hetsy, niaraka taminy; 15teo anilany Johanàna mpifehy sy lehilahy valo alina sy roa hetsy niaraka taminy. 16Ary teo anilany Amasiasa zanak'i Zekrì, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an'ny Tompo sy lehilahy mahery roa hetsy niaraka taminy. 17Ny tamin'i Benjamina dia Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman'ampinga roa hetsy niaraka taminy; 18ny teo anilany dia Jozabada, sy lehilahy valo alina sy iray hetsy samy hary fiadiana hiady niaraka taminy. 19Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda, eran'i Jodà rehetra. >