Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-18

1 Nanan-karena amam-boninahitra be Josafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin'i Akaba.

2 Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin'i Akaba tany Samaria izy, ary Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramota any Galaada. 3 Izao no nolazain'i Akaba mpanjakan'Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Jodà: Mba hiaraka amiko ho any Ramota any Galaada va hianao? Ka hoy ny navalin'i Josafata taminy: Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjo ny vahoakako ny hanjo ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay. 4 Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely: Miangavy anao aho hanontany izay tenin'ny Tompo ankehitriny.

5 Dia nantsoin'ny mpanjakan'Israely ny mpaminany efa-jato lahy, ka hoy izy taminy: Handeha hanafika any Ramota any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho? Ary hoy ny navalin'ireo: Mandehana fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 6 Fa hoy kosa Josafata: Tsy misy mpaminanin'ny Tompo intsony eto va, na dia iray aza azontsika anontaniana azy? 7 Ka hoy ny navalin'ny mpanjakan'Israely an'i Josafata: Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an'ny Tompo, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia Mikea zanak'i Jemlà. Dia hoy Josafata: Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka. 8 Izay ny mpanjakan'Israely vao niantso eonoka anankiray, ka nanao taminy hoe: Asaovy mankatý miaraka amin'izay Mikea zanak'i Jemlà. 9 Tamin'izay ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà, dia samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany nitondra ny akanjom-panjakany, nipetraka teo amin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany. 10 Sedesiasa zanak'i Kanaana, nanao tandrobý ho azy, ka nilaza hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Hototoinao amin'ireto tandroka ireto ny Siriana, mandra-paharingany. 11 Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: Miakara any Ramota any Galaada ka maharese, fa hatolotry ny Tompo eo an-tanan'ny mpanjaka izany. 12 Ilay iraka lasa niantso an'i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: Efa iray teny, milaza soa ho an'ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin'ny azy isany, mba milazà soa koa.

13 Fa hoy ny navalin'i Mikea: Velona Iaveh! Izay hambaran'Andriamanitra no holazaiko. 14 Nony mby teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikea, handeha hanafika an'i Ramota any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho? Ary hoy ny navaliny: Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tànanareo izy.

15 Fa hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko afatsy izay marina, amin'ny anaran'ny Tompo hianao. 16 Ka hoy ny navalin'i Mikea: Indro Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy. 17 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va, fa tsy mba milaza soa ho ahy io, fa ny loza ihany! 18 Hoy kosa Mikea: Henoy àry ny tenin'ny Tompo: Izaho efa nahita an'ny Tompo mipetraka amin'ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo an-kavanany sy eo an-kaviany.

19 Ary hoy Iaveh: Iza no hanambaka an'i Akaba hiakarany any Ramota any Galaada sy ho faty any izy? 20 Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. Tamin'izany dia nisy fanahy anankiray nandroso nankeo anatrehan'ny Tompo nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Ka hoy Iaveh taminy: Hataonao ahoana? 21 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan'ny mpaminany rehetra. Dia hoy Iaveh taminy: Hanambaka azy tokoa hianao ary ho efanao tokoa izany. Koa mivoaha ary, ataovy izany. 22 Koa indro fa Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaninao izay eto ireo. Ary Iaveh efa nanonona loza hanjo anao. 23 Nanatona kosa Sedesiasa zanak'i Kanaana, ka namely ny takolak'i Mikea nanao hoe: Taiza no làlana nialan'ny fanahin'ny Tompo tamiko, hiteny aminao? 24 Dia namaly Mikea hoe: Ho hitanao izany amin'ny andro handehandehananao isan'efitrano hierenao. 25 Ary hoy ny mpanjakan'Israely: Raiso Mikea ka ento any amin'i Amona, governoran'ny tanàna, sy Joasa zanaky ny mpanjaka, 26 lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity, ka mofom-pahoriana amam-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara. 27 Ary hoy Mikea: Raha tafaverina soa aman-tsara hianao, dia tsy niteny tamin'ny alalako Iaveh. Sady nampiany hoe: Samia mihaino izany hianareo vahoaka rehetra. 28 Dia niakatra nankany Ramota any Galaada ny mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Jodà.

29 Ary hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata: Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin'ny ady, fa hianao miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan'Israely, dia nandeha ho any amin'ny ady izy ireo. 30 Izao no didy efa nomen'ny mpanjakan'i Siria an'ireo komandin'ny an-kalesiny nataony hoe: Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan'Israely ihany. 31 Nony nahita an'i Josafata ny komandin'ny an-kalesy, dia nanao hoe: Inty tokoa ny mpanjakan'Israely, sady nohodidininy hasiana izy. Niantso mafy Josafata dia novonjen'ny Tompo, ka nampanalavitin'Andriamanitra azy ny Siriana. 32 Rahefa hitan'ny komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely io, dia nivily niala taminy izy. 33 Tamin'izay nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'Israely teo anelanelan'ny fikatonan'ny akanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpampandeha ny kalesy: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny tany iadiana aho, fa voa. 34 Nihamafana ny ady tamin'izay andro izay, ary notohanana hitsangana manandrify ny Siriana teo ambony kalesiny ihany ny mpanjakan'Israely, mandra-paharivan'ny andro fa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1419