Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-19

1 Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema Josafata mpanjakan'i Jodà,

2 dia nitsena azy Jehò, mpahita, zanak'i Hananì, ka hoy izy tamin'i Josafata mpanjaka: Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an'ny Tompo va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin'ny Tompo. 3 Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin'ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin'ny fitadiavana an'Andriamanitra hianao. 4 Nitoetra tao Jerosalema Josafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, dia nampivereniny amin'ny Tompo Andriamanitry ny razany.

5 Nanendry mpitsara amin'ny tany izy, amin'ny tanàna mimanda, amin'i Jodà, isan-tanàna. 6 Ka nilaza tamin'ny mpitsara izy nanao hoe: Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an'olombelona no hitsaranareo, fa ho an'ny Tompo; izy no homba anareo rahefa mitsara hianareo. 7 Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an'ny Tompo, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin'ny Tompo Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly. 8 Tao Jerosalema koa, rahefa tafaverina tao amin'io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin'Israely, Josafata, ho amin'ny fitsaran'ny Tompo sy ny adin'olona.

9 Ka nanome didy azy izy nanao hoe; Hataonareo amim-pahatahorana an'ny Tompo izany sy amim-pahamarinana ary amin'ny fo mahitsy. 10 Amin'ny ady rehetra entin'ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin'ny momba ny fanavahana ny vonoan'olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin'ny Tompo sy tsy hiharan'ny fahatezerany aminareo sy amin'ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo. 11 Indro Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin'ny raharahan'ny Tompo rehetra; ary Zabadiasa zanak'Ismaely mpanapaka ny taranak'i Jodà, amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manam-boninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937