Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-2

1 Nanisa olona fito alina Salomona hitondra ny entana, valo alina hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary enin-jato amby telo arivo hitandrina an'ireo.

2 Naniraka tany amin'i Hirama mpanjakan'i Tira Salomona, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataonao tamin'i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany.

3 Fa indro aho manangana trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitro, izay hohamasiniko ho azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona doran'ny maraina sy ny hariva, sy amin'ny sabata, ny voalohan'ny volana, ny fetin'ny Tompo Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin'Israely mandrakizay. 4 Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. 5 Fa iza aza moa no hahay manao trano ho azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany? 6 Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin'ireo olo-mahay zavatra izay atý amiko atý Jodà sy Jerosalema, efa nomanin'i Davida raiko. 7 Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libana ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin'ny mpanomponao, 8 mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagana ny trano hataoko. 9 Ary indro fa izao no homeko ho sakafon'ny mpanomponao mikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha roa alina kora, orja roa alina kora, divay roa alina bata, diloilo roa alina bata. 10 Dia izao no navalin'i Hirama mpanjakan'i Tira tao amin'ny taratasy nampitondrainy an'i Salomona: Noho ny fitiavan'ny Tompo ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.

11 Ary hoy Hirama: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an'ny Tompo ary trano-mpanjaka ho an'ny tenany. 12 Koa ankehitriny dia indro irahiko ho atý aminao Ingahy Hirama, lehilahy mahay zavatra sady manan-tsaina, 13 zanaky ny vehivavy taranak'i Dàna sy ny lehilahy Tiriana, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin'ireo olo-mahay zavatra atý aminao, mbamin'ireo olo-mahay zavatra tamin'i Davida tompoko rainao. 14 Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin'ny diloilo aman-divay, voalazan'ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.

15 Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin'ny ranomasina hatrany Jope, dia hianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema. 16 Ary nisain'i Salomona araka ny nanisan'i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin'ny tanin'Israely: dia nisy enin-jato sy telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy ny isany.

17 Ka nalainy tamin'ireo ny fito alina hitondra entana, ny valo alina hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato sy telo arivo nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0511