Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-20

1 Tatý aorian'izany, dia tamy ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amòna, ary nisy Amonita niaraka taminy, hamely an'i Josafata dia hiady aminy.

2 Ka nisy tonga nilaza tamin'i Josafata hoe: Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin'ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasona-Tamara, izany hoe Engadì izy izao. 3 Raiki-tahotra Josafata ka dia hangata-bonjy amin'ny Tompo no nahatapahan'ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon'i Jodà rehetra izy. 4 Dia nivory Jodà hiantso an'ny Tompo, ka avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra aza no nahatongavan'ny olona hiantso an'ny Tompo.

5 Ary Josafata nitsangana teo afovoan'ny fiangonan'i Jodà sy Jerosalema tao an-tranon'ny Tompo eo anoloan'ny kianja vaovao, ka nanao hoe:

6 Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va hianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin'ny firenena, ary moa tsy eo an-tànanao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra anao? 7 Tsy hianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity teo anoloan'Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao mandrakizay? 8 Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho anao, ho an'ny anaranao, nanao hoe: 9 Raha avy izay loza hanjo anay na ny sabatry ny fitsarana, na pesta, na mosary, dia hitsangana eo anatrehan'ity trano ity sy eo anatrehanao izahay, fa ao amin'ity trano ity ny anaranao, dia hiantso anao izahay ao afovoan'ny loza manjo anay, dia hihaino hianao ary hamonjy. 10 Ankehitriny, indreo ny taranak'i Amòna sy Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran'Israely fony izy avy any amin'ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy. 11 Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin'ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay! 12 Ry Andriamanitray ô, tsy hamoaka fitsarana an'ireo va hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan'ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa hianao no itodihan'ny masonay! 13 Ary Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan'ny Tompo avokoa, hatramin'ny ankizy madinika mbamin'ny vady aman-janany. 14 Tamin'izay Jahaziela zanak'i Zakariasa, zanak'i Banaiasa, zanak'i Jehiela, zanak'i Mataniasa, Levita, amin'ny taranak'i Asafa dia voatsindrin'ny Fanahy avy amin'ny Tompo teo afovoan'ny fiangonana teo,

15 ka nanao hoe: Mampandria sofina, ry Josafata mpanjaka! Izao no lazain'ny Tompo aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan'ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an'Andriamanitra. 16 Midìna hianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin'ny havoan'i Sisa, ary ho hitanareo erý amin'ny faran'ny lohasaha tandrifin'ny efitra Jeroela. 17 Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin'itý, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon'ny Tompo anareo, ry Jodà sy Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha hianareo rahampitso hitsena an'ireo, fa homba anareo Iaveh. 18 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata, niankohoka teo anatrehan'ny Tompo koa Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin'ny Tompo.

19 Ary ny Levita amin'ny taranak'i Kaata, amin'ny taranak'i Kore nitsangana, hankalaza an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, tamin'ny feo mahery sy avo. 20 Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga mankany an'efitr'i Tekoe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo Josafata, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jodà, sy hianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an'ny Tompo Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona hianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hohambinina hianareo.

21 Rahefa izany, dia niara-nihevitra tamin'ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan'ny tafika, hankalaza an'ny Tompo amin'ny teny hoe: Miderà an'ny Tompo fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony! 22 Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika Iaveh, hahavoa ny taranak'i Amòna sy Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an'i Jodà, ka resy izy ireo. 23 Ny taranak'i Amòna sy Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an'ireo; nony tapitra naringany ny mponina any an-tendrombohitr'i Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana. 24 Nony tonga teo amin'ny fitoeran'ny mpiambina mahatazana ny efitra Jodà, dia nitodika irerý vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin'ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25 Dia nandeha Josafata sy ny vahoakany haka babo tamin'ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa. 26 Nony tamin'ny andro fahefatra, nivory teo amin'ny lohasaha Beraka izy, fa nisaotra an'ny Tompo teo; izany no nanaovany an'io lohasaha io hoe Beraka mandrak'androany. 27 Izay vao niainga amin-kafaliana ny lehilahy rehetra amin'i Jodà sy Jerosalema notarihin'i Josafata hiverina any Jerosalema, fa nofenoin'ny Tompo hafaliana ny amin'ny fahavalony. 28 Tamin'ny feom-baliha sy harpa ary trompetra no nidirany teo Jerosalema nankany amin'ny tranon'ny Tompo. 29 Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny fanjakana rehetra amin'ny tany, nony nandre fa hoe: Iaveh no niady tamin'ny fahavalon'Israely. 30 Ka nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata, ary nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy. 31 Tonga mpanjaka tamin'i Jodà Josafata. Dimy amby telopolo taona izy fony vao nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Azoba zanakavavin'i Selahi no anaran-dreniny.

32 Nandeha tamin'ny làlana nalehan'i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 33 Saingy ny fitoerana avo no tsy voarava, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po tamin'Andriamanitry ny razany. 34 Ny sisa tamin'ny asan'i Josafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Jehò, zanak'i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely.

35 Taty aorian'izany Josafata mpanjakan'i Jodà, nikambana tamin'i Okoziasa mpanjakan'Israely izay melo-pitondran-tena.

36 Ny hanao sambo hankany Tarsisa no nikambanany taminy; ary tao Asiongabera no nanaovany ny sambo. 37 Fa tamin'izay Eliezera zanak'i Dodao, any Maresà, naminany ny amin'i Josafata nanao hoe: Noho hianao nikambana tamin'i Okoziasa dia noravan'ny Tompo ny asanao. Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992