Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-21

1 Nodimandry any amin'ny razany Josafata, dia nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida, ary Jorama zanany nanjaka nandimby azy.

2 Nanan-drahalahy zanak'i Josafata koa Jorama, dia Azariasa, Jahiela, Zakariasa, Azariasa, Mikaela, ary Safatiasa; zanak'i Josafata mpanjakan'i Jodà avokoa ireo.

3 Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin'ny tanàna mimanda amin'i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin'i Jorama, fa izy no lahimatoa. 4 Nanao izay hahazoany an-tànana ny fanjakan-drainy Jorama, ary rahefa niha-nahery izy, dia novonoiny tamin'ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin'ny filohany sasany tamin'Israely koa. 5 Roa amby telopolo taona Jorama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

6 Nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely izy, tahaka ny nataon'ny taranak'i Akaba, fa zanak'i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo. 7 Tsy tian'ny Tompo anefa ny handringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin'ny taranany mandrakariva. 8 Tamin'ny androny niodina tamin'ny fapanahan'i Jodà Edoma, ka nanangana mpanjaka ho azy.

9 Dia niainga Jorama nomban'ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy dia nandresy ny Edomita nanodidina azy mbamin'ny lehiben'ny kalesy. 10 Nitsoaka tamin'ny fanapahan'i Jodà anefa Edoma mandrak'androany. Lobnà koa nitsoaka tamin'ny fanapahany, tamin'izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 11 Nanao fitoerana avo tamin'ny tendrombohitr'i Jodà aza Jorama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an'i Jodà.

12 Nisy taratasy avy any amin'i Elia mpaminany, tonga tao aminy, nanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'i Davida rainao: Noho hianao tsy nandeha tamin'ny làlan'i Asà mpanjakan'i Jodà, 13 fa nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely nitarika an'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin'ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan'ny ankohonan'i Akaba an'Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho hianao, dia ny tarana-drainao, 14 dia indro hokapohin'ny Tompo amin'ny aretina lehibe ny vahoakanao, mbamin'ny anananao rehetra; 15 ary hianao hotsindrian'aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin'ny aretina, mandritra ny andro maro. 16 Ary nambosin'ny Tompo hamely an'i Jorama ny sain'ny Filistina mbamin'ny Arabo teo akaikin'ny Etiopiana.

17 Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon'ny mpanjaka, hatramin'ireo zanany, mbamin'ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy Joakaza ilay zandriny indrindra tamin'ireo zanany. 18 Nanaraka izany rehetra izany indray, dia nasian'ny Tompo aretina tsy lai-panafody izy tamin'ny tsinainy. 19 Nifandimby ny andro ka tamin'ny faran'ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain'i Jorama noho ny hamafin'ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan'ny vahoakany zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an'izany ho an'ny razany. 20 Efa roa amby telopolo taona Jorama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan'i Davida fa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233