Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-22

1 Okoziasa zanak'i Jorama faralahy no nampanjakain'ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin'ny mpitoha ady niara-tonga tamin'ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan'i Okoziasa zanak'i Jorama mpanjakan'i Jodà.

2 Roa amby efapolo taona izy, fony vao nanjaka; ary herin-taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia zanak'i Amri. 3 Nandeha tamin'ny lalan'ireo taranak'i Akaba koa izy, fa reniny no mpanoro hevitra azy hampanota azy. 4 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, toy ny taranak'i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, taty aorian'ny nahafatesan-drainy. 5 Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin'i Jorama zanak'i Akaba mpanjakan'Israely, hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria, tany Ramota-Galaada. Nandratra an'i Jorama ny Siriana. 6 Dia niverina tao Jezrahela Jorama hotsaboina amin'ny ratra nahavoazan'ny Siriana azy tao Ramà, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Ary Azariasa zanak'i Jorama mpanjakan'i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an'i Jorama zanak'i Akaba fa narary izy. 7 Avy amin'Andriamanitra no nahitan'i Okoziasa loza, tamin'izy nankany amin'i Jorama. Fa nony tonga izy dia niara-nivoaka tamin'i Jorama ho any amin'i Jehò zanak'i Namsi, izay efa nohosoran'ny Tompo handringana ny taranak'i Akaba. 8 Tamin'i Jehò nanefa ny fanamelohany ny taranak'i Akaba dia hitany ireo lehibe tamin'i Jodà mbamin'ireo zana-drahalahin'i Okoziasa izay nanao raharaha tao amin'i Okoziasa ka nefainy ireo. 9 Notadiaviny Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin'i Jehò, ka novonoiny izy. Rahefa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: Zanak'i Josafata izay nitady an'ny Tompo tamin'ny fony rehetra izy. Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin'ny terak'i Okoziasa. 10 Nony hitan'i Atalia, renin'i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak'andriana rehetra amin'ny taranak'i Jodà.

11 Joasa zanak'i Okoziasa anefa, nalain'i Josabeta zanakavavin'ny mpanjaka, nesoriny avy tamin'ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin'izay, ka napetrany tao an'efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan'i Josabeta zanakavavin'i Jorama mpanjaka, vadin'i Joiadà mpisorona, anabavin'i Okoziasa, an'i Joasa, ka tsy nahitan'i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy. 12 Niara-niery taminy enin-taona, tao an-tranon'ny Tompo izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1103