Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-25

1 Dimy amby roapolo taona Amasiasa, fony vao nanjaka, ary sivy taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Joadana avy ao Jerosalema.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo ihany izy, saingy tsy tamin'ny fo lavorary. 3 Nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy, 4 nefa ny zanak'izy ireo tsy mba novonoiny, fa araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna, amin'ny bokin'i Moizy izay nandidian'ny Tompo hoe: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa isan'olona samy ho fatin'ny fahotana nataony avy. 5 Novorian'i Amasiasa ny lehilahy amin'i Jodà dia samy nalaminy ara-pokom-pianakaviana avokoa, ny tompon'arivo aman-tompon-jato amin'i Jodà sy Benjamina rehetra, ary nisainy ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ka telo hetsy no lehilahy voafantina hitany, samy azo alefa hiady sy mahatan-defona aman'ampinga.

6 Nisy lehilahy mahery iray hetsy avy amin'Israely koa, nokaramainy talenta volafotsy zato. 7 Kanjo tonga tao aminy ity olon'Andriamanitra anankiray, ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, aza misy foloalindahin'Israely hiara-mandeha aminao, fa tsy omban'ny Tompo Israely sy ny taranak'i Efraima rehetra. 8 Ka hianao ihany mandeha, dia mikatroha, mahereza amin'ny ady, fa tsy havelan'Andriamanitra ho resy eo anoloan'ny fahavalo hianao, satria mahay mamonjy sy mandavo Andriamanitra. 9 Dia hoy Amasiasa tamin'ilay olon'Andriamanitra: Ka hatao ahoana ity talenta zato nomeko ny miaramilan'Israely? Ary namaly ny olon'Andriamanitra nanao hoe: Mahay manome anao be lavitra noho izay Iaveh. 10 Dia navahan'i Amasiasa ny miaramila avy tany amin'i Efraima hankanesany any amin'ny taniny. Nirehitra mafy tamin'i Jodà anefa ny fahatezeran'ireo olona ireo, ka nandeha nody tamin'ny taniny tamin-katezerana mirehitra. 11 Feno herim-po Amasiasa ka nitarika ny vahoakany dia nankany amin'ny lohasahan-tSira, ary nandresy iray alina tamin'ny taranak'i Seira.

12 Nahazo sambo-belona iray alina ny taranak'i Jodà, ka nentiny nankany an-tampon'ny vatolampy anankiray, navariny teo, dia montsamontsana avokoa. 13 Tamin'izay kosa ireo miaramila nalefan'i Amasiasa tsy hiara-manafika aminy, dia niantoraka tamin'ireo tanànan'i Jodà, hatrany Samaria ka hatrany Betorona, ka nahafaty olona telo arivo ary namabo zavatra betsaka. 14 Nony tonga avy nandresy ny Edomita Amasiasa, dia nentiny ny andriamanitry ny taranak'i Seira, ka natsangany ho andriamaniny, niankohofany teo anatrehany, ary nanaterany zava-manitra.

15 Nirehitra tamin'i Amasiasa ny fahatezeran'ny Tompo, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: Ahoana no dia ivavahanao amin'ny andriamanitr'io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin'ny tànanao akory? 16 Mbola niteny anefa io, dia hoy Amasiasa taminy: Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà hianao, fandrao asian'ny olona eo! Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: Fantatro fa efa naraikitr'Andriamanitra ny handringana anao, noho hianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro. 17 Naka hevitra Amasiasa mpanjakan'i Jodà, dia naniraka tany amin'i Joasa zanak'i Joakaza, zanak'i Jehò, mpanjakan'Israely, hilaza hoe: Avia hifankahita mifanatrika isika. Fa izao no teny nampitondrain'i Joasa mpanjakan'Israely an'i Amasiasa mpanjakan'i Jodà:

18 Ny tsilo any Libàna, naniraka hilaza amin'ny sedera any Libàna hoe: Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy. Dia namaly teo ny biby dia any Libàna, ka nanosihosy ny tsilo. 19 Efa nahavoa ny Edomita hianao, hoy ny hevitrao, ka taomin'ny fonao hirehareha hianao. Koa ankehitriny mipetraha tsara ao an-tranonao. Nahoana no dia mihaika loza hahalavo ny tenanao mbamin'i Jodà koa ity hianao? 20 Tsy nohenoin'i Amasiasa akory izany, fa avy amin'Andriamanitra izany, hanolorany azy ho eo an-tanan'ny fahavalo, noho izy nivavaka tamin'ny andriamanitr'i Edoma. 21 Dia niakatra Joasa mpanjakan'Israely, ka nifankahita nifanatrika tao Betsamesa any Jodà izy sy Amasiasa, mpanjakan'i Jodà. 22 Resy teo anatrehan'Israely Jodà, ka samy nandositra ho any an-dainy avy. 23 Ary Amasiasa, mpanjakan'i Jodà, zanak'i Joasa, zanak'i Joakaza dia nosamborin'i Joasa mpanjakan'Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan'i Jerosalema, hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony; 24 nalainy avokoa ny volamena sy volafotsy mbamin'ny fanaka izay tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obededoma, ary ny rakitra rehetra tao an-tranon'ny mpanjaka, naka olona natao antoka koa izy dia niverina ho any Samaria. 25 Mbola velona dimy ambin'ny folo taona Amasiasa zanak'i Joasa, mpanjakan'i Jodà, tatý aorian'ny nahafatesan'i Joasa zanak'i Joakaza, mpanjakan'Israely.

26 Ny asan'i Amasiasa sisa, ny voalohany sy ny farany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely va izany? 27 Taorian'ny nihatahan'i Amasiasa tamin'ny Tompo dia nisy firaisan-tetika hamely azy niforona tao Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, fa nisy olona nirahina hanenjika azy tany Lakisa, ka novonoiny tany izy.

28 Ary nentina an-tsoavaly izy dia nalevina tao amin'ny razany, ao an-tanànan'i Davida.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1488