Boky Faharoan'ny Tantara
2 Tantara toko 26
Oziasa mpanjakan'i Jodà - Ny ady nataony, ny trano naoriny, ny herim-po-miaramila nasehony - Ny fiavonavonan'i Oziasa sy ny sazy nanjò azy.
1Oziasa izay efa enina ambin'ny folo taona no nalain'ny vahoaka rehetra amin'i Jodà, ka nampanjakainy handimby an'i Amasiasa rainy. 2Nanorina an'i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin'i Jodà indray, nony efa nodimandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
3Enina ambin'ny folo taona Oziasa fony vao nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema. 4Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon'i Amasiasa rainy izy. 5Nanaja an'Andriamanitra izy, tamin'ny andro niainan'i Zakaria, izay nampianatra azy ny fatahorana an'Andriamanitra ary nambinin'Andriamanitra izy, tamin'ny andro nanajany an'ny Tompo.
6Nandeha niady tamin'ny Filistina izy, nazerany avokoa ny mandan'i Geta sy ny mandan'i Jabnia ary ny mandan'i Azota, dia nanao tanàna tany amin'ny faritanin'i Azota sy tany amin'ny Filistina izy. 7Nampian'Andriamanitra izy hamely ny Filistina sy ny Arabo nonina tany Gora-Baala, ary ny Maonita. 8Nitondra fanatitra ho an'i Oziasa ny Amonita, ary niely hatrany akaikin'i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy. 9Nasian'i Oziasa tilikambo teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankany an-dohasaha ary teo amin'ny zorony, tao Jerosalema, sady nohamafisiny izy. 10Nanao tilikambo tany an'efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany; sy tany amin'ny Sefela mbamin'iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.
11Nana-miaramila mpanafika Oziasa, izay nandeha nanafika isan-tokony, mandry an'isany araka ny fanisana nataon'i Jehiela mpanoratra, sy Maasiasa mpitandrin-draharaha, tambany fifehezan'i Hananiasa, anankiray amin'ny komandin'ny mpanjaka. 12Ny isan'ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia enin-jato amby roa arivo no tontaliny. 13Ka ny miaramila nofehezin'ireo, dia diman-jato sy fito arivo amby telo hetsy, izay nahay niady tamin'ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan'ny fahavalony. 14Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan'i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka, ary antsamotady fandefasam-bato. 15Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin'ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin'ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.
16Nisondrotra tao am-pony izaitsizy anefa izy, nony tonga nahery, ka nahafongotra azy izany. Nanota tamin'ny Tompo Andriamaniny izy, fa niditra tao an-tempolin'ny Tompo izy, handoro zava-manitra eo ambony otely fandoroan-java-manitra. 17Niditra avy ato aoriany kosa Azariasa mpisorona, mbamin'ny valopolo lahy amin'ny mpisoron'ny Tompo, samy lehilahy mahery avokoa, 18ka nanohitra an'i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an'ny Tompo, fa anjaran'ny mpisorona taranak'i Aarona izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin'ny fitoerana masina fa nanota hianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitra izany. 19Oziasa amin'izany, nitana fanembohana tany an-tànany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana, ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin'ny handriny nisy habokàna mipoitra, teo anatrehan'ny mpisorona, tao an-tranon'ny Tompo, teo anoloan'ny otely fandoroan-java-manitra. 20Nony nijery nankany aminy Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan'ny habokàna ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian'ny Tompo. 21Dia boka hatramin'ny andro nahafatesany Oziasa mpanjaka, ka nitoetra tao an-trano manirery, amin'ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon'ny Tompo. Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon'ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin'ny tany.
22Ny asan'i Oziasa sisa, ny voalohany sy ny farany, dia efa voasoratr'Izaia, zanak'i Amosa, mpaminany. 23Ary nodimandry tamin'ny razany Oziasa, tany amin'ny saha fandevenana ny mpanjaka; satria boka izy, hoy ny olona. Joatama zanany no nanjaka nandimby azy. >