Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-27

1 Dimy amby roapolo taona Joatama, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak'i Sadaoka.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo, araka izay rehetra nataon'i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin'ny Tompo; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany. 3 Nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'ny Tompo Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin'ny mandan'i Ofela.

4 Nanao tanàna teny amin'ny tendrombohitr'i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an'ala. 5 Niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amòna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen'ny taranak'i Amòna ho azy tamin'izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha iray alina kora, ary orja iray alina kora; torak'izany koa no naterin'ny taranak'i Amòna ho azy, tamin'ny taona faharoa sy fahatelo.

6 Nitombo hery Joatama, satria nizotra mafy tamin'ny làlany, teo anatrehan'ny Tompo Andriamaniny. 7 Ny asa nataon'i Joatama sisa, ny ady rehetra nataony sy izay rehetra vitany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely sy Jodà avokoa.

8 Dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. 9 Dia nodimandry any amin'ny razany Joatama, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida. Ary Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1004