Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-28

1 Roapolo taona Akaza fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan'ny Tompo tahaka an'i Davida rainy izy,

2 fa nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'Israely, ary nanao sarin-javatra anidina ho an'ireo Baala aza. 3 Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan'i Bena-Hinoma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon'ireo firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 4 Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin'ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy. 5 Natolotry ny Tompo Andriamaniny ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Siria izy, ka noresen'ny Siriana, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan'ny mpanjakan'Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mahitsy.

6 Indray andro monja dia nisy roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mahery avokoa, no matin'i Fasea zana-dRomeliasa, tamin'i Jodà, satria izy ireo nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 7 Novonoin'i Zekrì mpiadin'i Efraima, Maasiasa zanaky ny mpanjaka, sy Ezrikà lehiben'ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary Elkanà, faharoa manarakaraka ny mpanjaka. 8 Nisy roa hetsy ny vehivavy sy zazalahy aman-jazavavy azon'ny zanak'Israely sambo-belona tamin'ireo rahalahiny, sady be dia be koa ny babo nalainy tamin'ireo, ary ny babo nentiny nankany Samaria. 9 Nisy mpaminanin'ny Tompo kosa tao atao hoe Odeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: Noho ny hatezeran'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo tamin'i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tànanareo, ka efa namono azy tamin-karomontana manakatra ny lanitra hianareo.

10 Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevolahinareo sy andevovavinareo koa ny taranak'i Jodà sy Jerosalema! Fa hianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin'ny Tompo Andriamanitrareo va hianareo? 11 Koa ankehitriny mihainoa ahy hianareo, ary alefaso ireo babo nalainareo tamin'ny rahalahinareo ireo, fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'ny Tompo. 12 Dia nitsangana ny lehibe sasany amin'ny taranak'i Efraima, Azariasa zanak'i Johanàna, Barakiasa zanak'i Mosolamota, Ezekiasa zanak'i Seloma, ary Amasà zanak'i Adalì, ka nanohitra an'ireo avy any an-tafika, 13 nanao hoe: Tsy hampiditra ireo babo ireo eto hianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin'ny Tompo no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika hianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo. 14 Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ireo lehibe sy ny fiangonana rehetra, ireto sambo-belona sy babo nentiny, 15 ary nitsangana ireo lehilahy efa voatonona anarana teo, nandray ny sambo-belona, ka notafiany aloha tamin'ny zavatra babo izay tsy nitafy, nomeny akanjo aman-kiraro, vao nampihinaniny sy nampisotroiny sady nohosorany izy ireo, dia nampitaingenany ampondra izay rehetra efa reraka mafy loatra, ka nateriny tany Jerikao, tanànan'ny rofia, izy ireo, ho any amin'ny rahalahiny. Izy kosa niverina tao Samaria. 16 Tamin'izany andro izany Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin'ireo mpanjakan'i Asiria,

17 fa tonga indray ny Edomita, nandresy an'i Jodà sy namabo azy. 18 Ny Filistina niely teny amin'ny tanàna eny amin'ny Sefela sy ny Negeban'i Jodà; azony avokoa Betsamesa, Aialòna, Gaderota, Sokao sy ny tanàna momba azy, Tamnà sy ny tanàna momba azy, Gamzao sy ny tanàna momba azy, dia nonenany. 19 Satria naetrin'ny Tompo Jodà, noho ny amin'i Akaza mpanjakan'Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin'i Jodà sy nanao heloka tamin'ny Tompo. 20 Tonga namely azy Telgata-Falasara mpanjakan'i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy. 21 Nalain'i Akaza ny zavatra tao an-tranon'ny Tompo sy ny tao an-tranon'ny mpanjaka mbamin'ny lehibe ka nanao fanatitra ho an'ny mpanjakan'i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin'izany izy. 22 Na tao anatin'izany fahoriana nanjo azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin'ny Tompo ihany izy, Akaza mpanjaka,

23 fa nanao sorona tamin'ny andriamanitr'i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: Ny andriamanitr'ireo mpanjakan'i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy. Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy Israely rehetra, 24 nangonin'i Akaza ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ary narindriny ny varavaran'ny tranon'ny Tompo, dia teny amin'ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany otely. 25 Tany amin'ny tanànan'i Jodà no nasiany fitoerana avo tsirairay avy, hanaterany zava-manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy. 26 Ny asany sisa mbamin'ny lalàny rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely izany.

27 Dia nodimandry any amin'ny razany Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'Israely. Ary Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0485