Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-29

1 Dimy amby roapolo taona Ezekiasa fony vao nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Abià zanak'i Zakariasa.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo toy izay rehetra nataon'i Davida rainy izy. 3 Tamin'ny volana voalohany, amin'ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran'ny tranon'ny Tompo, dia namboatra azy izy.

4 Nampiantsoiny ny mpisorona sy ny Levita, dia novoriny teo amin'ny kianja atsinanana, 5 dia nilazany hoe: Mihainoa ahy, hianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin'ny fitoerana masina ny loto rehetra. 6 Fa nanota ny razantsika, nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitsika izy, nahafoy azy izy, nihodina tsy hanatrika ny fonenan'ny Tompo izy, ary niamboho azy izy. 7 Narindriny aza ny varavaran'ny lavarangana fidirana, novonoiny koa ny jiro, ary tsy nandoro zava-manitra na nanatitra ny sorona dorana ho an'Andriamanitr'Israely teo amin'ny fitoerana masina. 8 Ka dia nianjera tamin'i Jodà sy Jerosalema ny fahatezeran'ny Tompo, navelany izy hianjadian'ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan'ny masonareo izao. 9 Ary noho izany, dia indro fa lavon'ny sabatra ny razantsika, lasan-ko babo ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika mbamin'ny vadintsika. 10 Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely mba hialan'ny fahatezerany mirehitra amintsika. 11 Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony hianareo, fa hianareo no efa voafidin'ny Tompo hanoloana azy, hanompo azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho azy. 12 Dia nitsangana ny Levita: Mahata zanak'i Amasaia, Joela zanak'i Azariasa, tamin'ny taranaky ny Kaatita; tamin'ny taranaky ny Merarita, Kisa zanak'i Abdì, Azariasa zanak'i Jalaleela; tamin'ny Gersonata, Joah, zanak'i Zemà, Eedena zanak'i Joah;

13 tamin'ny taranak'i Elisafàna, Samarì sy Jahiela; tamin'ny taranak'i Asafa, Zakariasa sy Mataniasa; 14 tamin'ny taranak'i Hemàna, Jahiela sy Semeia; ary tamin'ny taranak'Iditona, Semeiasa sy Oziela. 15 Novorin'izy ireo ny rahalahiny, ary samy nanamasina ny tenany izy, dia tonga hanadio ny tranon'ny Tompo, araka ny didin'ny mpanjaka, sy noho ny tenin'ny Tompo. 16 Niditra tao anatin'ny tranon'ny Tompo ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin'ny Tompo ho amin'ny kianjan'ny tranon'ny Tompo, dia noraisin'ny Levita hoentiny any an-dohasahan'i Sedròna. 17 Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin'ny andro fahavalon'ny volana, niditra teo amin'ny lavarangana fidiran'ny Tompo izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon'ny Tompo; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany dia vitany. 18 Dia nankao amin'i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'ny Tompo, ny otely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy. 19 Ary ny fanaka rehetra novetavetain'i Akaza mpanjaka, tamin'ny andro nanjakany, tamin'ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan'ny otelin'ny Tompo izany. 20 Koa nifoha maraina koa Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben'ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo.

21 Ny nateriny dia ombalahy fito, ondralahy fito, zanak'ondry fito, ary osilahy fito, hatao sorona noho ny ota, ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'i Jodà. Nasain'ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak'i Aarona teo ambonin'ny otelin'ny Tompo, ireo. 22 Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin'ny mpisorona ny ra; nararany teo ambonin'ny otely ny ra; novonoiny ny zanak'ondry dia nararany teo ambonin'ny otely ny ra. 23 Izay vao naroso ho eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan'izy rehetra tànana; 24 dia novonoin'ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin'ny otely ny rany, nanaovany fanonerana ho an'Israely rehetra, fa ho an'Israely rehetra no nampanaovan'ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. 25 Nasainy nalahatra teo an-tranon'ny Tompo ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin'i Davida sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, ary Natàna mpaminany, fa didy avy amin'ny Tompo tamin'ny alàlan'ny mpaminany, izany. 26 Dia nilahatra ny Levita nitondra ny zava-manenon'i Davida, mbamin'ny mpisorona nitondra trompetra koa. 27 Ary nasain'i Ezekiasa natolotra teo ambony otely ny sorona dorana; ka vao natomboka ny sorona dorana, dia natomboka koa ny hira ho an'ny Tompo, mbamin'ny feon-trompetra, narahin'ny zava-manenon'i Davida mpanjakan'Israely. 28 Niankohoka ny fiangonana rehetra, nohiraina ny hira, ary notsofina ny trompetra, ary izany rehetra izany naharitra mandra-pahavitan'ny sorona dorana. 29 Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy. 30 Ny tenin'i Davida sy Asafa mpahita, no nasain'ny mpanjaka sy ny lehibe nideran'ny Levita an'ny Tompo, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka. 31 Rahefa izany, niteny Ezekiasa ka nanao hoe: Vita fanokanan-tena ho an'ny Tompo indray izao hianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon'ny Tompo. Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.

32 Koa ny isan'ny sorona dorana naterin'ny fiangonana dia omby fitopolo, ondralahy zato, ary zanak'ondry roan-jato, sorona dorana iray ihany, ho an'ny Tompo, avokoa ireo rehetra ireo. 33 Afa-tsy ireo, nisy omby enin-jato, sy ondry telo arivo natokana koa. 34 Tsy nahendaka ny sorona dorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian'ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan'ny raharaha sy mandra-panamasin'ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin'ny fanamasinana ny tenany. 35 Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran'ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny. Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon'ny Tompo. 36 Faly Ezekiasa sy ny vahoaka tamin'izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka; fa vita tampoka izany zavatra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1367