Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Faharoan'ny Tantara

2 Tantara toko 3
Ny nanaovana ny tempoly: Habeny manontolo - Efi-trano fidirana - Fitoerana masina indrindra - Kerobima - Efitra lamba - Ny andry roa - Kapoaka masina - Fanaka samihafa.

       1Dia natombok'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny Tompo tao Jerosalema, amin'ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an'i Davida rainy, dia amin'ny toerana efa voaoman'i Davida teo amin'ny famoloan'i Ornàna, Jeboseana. 2Tamin'ny andro faharoan'ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao azy.
       3Toy izao no fototra nanorenan'i Salomona ny tranon'Andriamanitra: Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana taloha ny lavany; ary roapolo hakiho ny sakany. 4Ny lavarangana fidirana izay eo anoloan'ny halavan'ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, araka ny sakan'ny trano, ary roapolo amby zato hakiho ny hahavony; nopetahan'i Salomona volamena madio ny atiny. 5Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy hasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina. 6Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia ny avy any Parvaima. 7Nopetahany volamena ny trano, dia ny sakamandimby, ny tolana, ny rindrina, ny varavarana, ary nasiana Kerobima nosokirina ny rindrina.
       8Dia nataony ny efi-trano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan'ny trano, ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato, 9ary dimampolo sikla ny lanjan'ny hombo volamena. Ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
       10Nanao kerobima roa, taozavatra voasokitra, tao amin'ny efi-trano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo. 11Roapolo hakiho no halavan'ny elatr'ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin'ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin'ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin'ny elatry ny kerobima iray; 12ny elatra anankiray amin'ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin'ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray. 13Dia roapolo hakiho no halavan'ny elatr'ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin'ny tongony izy; ary manatrika ny trano ny tarehiny.
       14Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amboradara. 15Nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no hahavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony. 16Nanao tongàlika, toy ny ao amin'ny loha andry; ary nanao voan'ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin'ny tongàlika. 17Dia natsangany teo anoloan'ny tempoly ny andry, ny iray teo an-kavanany, ny iray teo an-kaviany. Ilay teo an-kavanana nataony hoe Jakina ary ny eo an-kavia, Booza. >