Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-30

1 Nandefa iraka ho any amin'Israely rehetra sy Jodà Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin'i Efraima sy Manase koa, hankanesan'izy ireo ao an-tranon'ny Tompo ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an'ny Tompo Andriamanitr'Israely.

2 Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin'ny hankalazana ny Paka amin'ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin'ny fiangonana rehetra tao Jerosalema; 3 noho izy tsy azo natao tamin'ny fotoanany, satria ny mpisorona efa nanamasina ny tenany mbola tsy ampy isa loatra, ary ny vahoaka koa mbola tsy vory tao Jerosalema. 4 Noheverin'ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany. 5 Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin'Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, fa efa tsy nankalazain'izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra. 6 Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin'ny mpanjaka sy ny lehibe any amin'Israely sy Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin'ny mpanjaka nanao hoe: Ry Zanak'Israely ô, miverena amin'ny Tompo Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Israely, dia hiverina amin'izay sisa izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria. 7 Aza manahaka ny rainareo aman-drahalahinareo, izay nanota tamin'ny Tompo, ka nataony hianjadian'ny fahoriana, araka izao hitanareo izao. 8 Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon'ny razanareo fa atolory an'ny Tompo ny tànanareo, tongava ao amin'ny fitoerany masina,izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo, mba hialan'ny afon'ny fahatezerany aminareo. 9 Fa raha miverina amin'ny Tompo hianareo, dia hahita famindram-po amin'ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny tavany, raha miverina aminy hianareo. 10 Notetezin'ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin'ny tanin'i Efraima sy Manase, ka hatrany amin'i Zabolona; nefa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana izy.

11 Ny olona sasany tamin'i Asera sy Manase ary Zabolona no hany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. 12 Any amin'i Jodà koa no namelaran'Andriamanitra ny tànany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin'ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin'ny Tompo. 13 Vahoaka be no nivory tao Jerosalema hanao ny fetin'ny Azima tamin'ny volana faharoa: fivoriana lehibe dia lehibe izay.

14 Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny otely tao Jerosalema, noravany koa ny otely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan'i Sedròna. 15 Izay vao namono ny Paka izy ireo, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon'ny Tompo. 16 Nipetraka teo amin'ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn'i Moizy, ilay olon'Andriamanitra, izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan'ny Levita. 17 Ny Levita dia notendrena hamono ny soron'ny Paka, ho an'izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an'ny Tompo; fa betsaka ny olona teo amin'ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany. 18 Fa betsaka tamin'ny vahoaka, maro tamin'i Efraima, Manase, Isakara, Zabolona, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo Ezekiasa, nanao hoe: 19 Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an'ireo nandraikitra ny fony hitady an'Andriamanitra, Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin'ny fitoerana masina. 20 Nihaino an'i Ezekiasa Iaveh, ka namela ny heloky ny vahoaka. 21 Ny zanak'Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin'ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan'andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an'ny Tompo tamin'ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an'ny Tompo. 22 Niteny tamin'ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin'ny fanompoana an'ny Tompo izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin'ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an'ny Tompo Andriamanitry ny razany. 23 Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;

24 fa ny fiangonana dia nomen'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, ombalahy arivo sy ondry fito arivo, ary ny lehibe koa efa nanome azy ombalahy arivo sy ondry iray alina, ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany. 25 Niara-nirobiroby ny fiangonan'i Jodà rehetra, ny mpisorona sy ny Levita, ny fiangonana rehetra avy any amin'Israely ary ny vahiny rehetra avy any amin'Israely, na niorim-ponenana teo amin'i Jodà. 26 Ka nisy fifaliana lehibe tao Jerosalema, ary tsy mbola nisy toy izany tao Jerosalema hatramin'ny andron'i Salomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. 27 Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon'izy ireo ka tafapaka hatrany amin'ny fonenana masin'ny Tompo, hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1368