Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-31

1 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin'Israely rehetra izay teo, nankany amin'ny tanànan'i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman'otely eran'i Jodà sy Benjamina mbamin'i Efraima sy Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody ho any an-tanànany ny zanak'Israely rehetra, samy ho any amin'ny anjara taniny.

2 Naorin'i Ezekiasa ny fizarazaran'ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin'ny tobin'ny Tompo. 3 Izy ihany no nanome, avy amin'ny fananany, izay anjaran'ny mpanjaka, amin'ny sorona dorana, dia ny sorona dorana amin'ny sabata, ny voalohan'ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'ny Tompo. 4 Ary nilaza tamin'ny mponina ao Jerosalema izy, handoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita, mba hiraiketany mafy amin'ny làlan'ny Tompo. 5 Rahefa naely izany didy izany, dia nanateran'ny zanak'Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin'ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin'ny vokatra rehetra. 6 Ny zanak'Israely sy Jodà, nonina teo amin'ny tanànan'i Jodà koa, dia nitondra ny fahafolon-karena tamin'ny omby aman'ondry, mbamin'ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra masina rehetra natokana ho an'ny Tompo Andriamaniny, ka natokotoko ho antontany maro. 7 Tamin'ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin'ny volana fahafito vao vita.

8 Tonga Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireto antontany, dia nisaotra an'ny Tompo sy Israely vahoakany izy ireo. 9 Ary nanontanian'i Ezekiasa ny amin'ireo antontany ireo, ny mpisorona sy ny Levita. 10 Ka hoy Azariasa mpisorona lehibe taranak'i Sadaoka namaly azy: Hatramin'ny niandohan'ny nanateran'ny olona ny fanomezana voahavaka ao an-tranon'ny Tompo, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa no tsy laninay, fa nambinin'ny Tompo ny vahoakany, ka he izato habetsahan'ny sisa tsy lany. 11 Nasain'i Ezekiasa nanamboarana efi-trano tao an-tranon'ny Tompo ka dia namboarina izany,

12 dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voahavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. Koneniasa Levita no tonian'ny fitandremana an'ireo; Semeia rahalahiny no lefiny, 13 ary Jahiela, Azariasa, Nahata, Asaela, Jerimota, Jozabada, Eliela, Jesmakiasa, Mahata sy Banaiasa no mpikarakara nofehezin'i Joneiasa sy Semeia rahalahiny, araka ny nandaharan'i Ezekiasa mpanjaka sy Azariasa mpanapaka ao amin'ny tranon'Andriamanitra, an'izany. 14 Kore Levita mpiandry ny varavarana atsinanana no tonian'ny fanatitra an-tsitra-po naterin'ny olona ho an'ny Tompo, mba hizarazara izay voahavaka ho an'ny Tompo mbamin'ny zavatra masina indrindra. 15 Nisy fehiny niandry raharaha homeny azy ireo, tao amin'ny tanànan'ny mpisorona, dia Edena, Benjamina, Jesoae, Semeiasa, Amariasa, Sekeniasa, izay niadidy ny fizarana ho an'ny rahalahiny, araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely; 16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon'ny Tompo, araka ny ilainy isan'andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy. 17 Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain'izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 18 Voasoratra tao anatin'ny boky ny zanany rehetra, ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny fiangonana rehetra, fa noho ny fahamarinany dia nikarakara tamim-pahamasinana ny fanatitra masina. 19 Ary ny amin'ny taranak'i Aarona, dia ireo mpisorona nitoetra tany amin'ny faritry ny taniny, nanodidina ny tanànany, dia nisy lehilahy, isan-tanàna, voatonona anarana, hanome ny anjaran'ny lehilahy amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra. 20 Toy izany no nataon'i Ezekiasa, eran'i Jodà rehetra; nanao izay tsara sy mahitsy ary marina eo anatrehan'ny Tompo Andriamaniny izy.

21 Nataony tamin'ny fony tokoa ny raharaha rehetra nampanaoviny momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo sy momba ny didy aman-dalàna nitadiavany an'Andriamaniny, ka nambinina izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985