Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-33

1 Roa ambin'ny folo taona Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, nanaraka ny fahavetavetan'ny firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan'i Ezekiasa rainy; nanangana otely ho an'ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan'ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy. 4 Nanorina otely teo an-tranon'ny Tompo izy, izay nolazain'ny Tompo hoe: Ho ao Jerosalema mandrakizay ny anarako. 5 Nanorina otely teo amin'ny kianja roa an-tranon'ny Tompo izy, ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra. 6 Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan'i Bena-Enoma ny zanany. Narahiny avokoa ny fomban'ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy. 7 Ny sarin'ny sampy nataony, dia napetrany tao amin'ny tranon'Andriamanitra izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Davida sy Salomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin'ny fokon'Israely rehetra no tiako hametrahana ny anarako mandrakizay. 8 Tsy havoakako hiala amin'ny tany notendreko ho an'ny razanareo ny tongotr'Israely, raha mbola tandremany ihany ny manaraka izay rehetra nandidiako azy koa izy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin'ny alalan'i Moizy. 9 Ka dia Manase no tonga nampania an'i Jodà mbamin'ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan'ny Tompo, teo anoloan'ny zanak'Israely. 10 Niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany Iaveh; nefa tsy nasian'izy ireo raharaha akory izany. 11 Tamin'izay dia nentin'ny Tompo hamely azy ireo ny lehiben'ny tafiky ny mpanjakan'i Asiria, nosamborin'ireo Manase tamin'ny masom-by, nogiazany tamin'ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilona.

12 Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an'ny Tompo Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan'Andriamanitry ny razany. 13 Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin'ny fanjakany. Dia nihaiky Manase fa Andriamanitra Iaveh. 14 Tatý aorian'izany, nanao manda teo ivelan'ny tanànan'i Davida izy, teo andrefana mankany Gihona amin'ny lohasaha hatrany amin'ny vavahadin-Kazandrano hanodidinana an'i Ofela, sady nasondrony ho avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin'i Jodà.

15 Nesoriny tao an-tranon'ny Tompo ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin'ireo otely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'ny Tompo, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan'ny tanàna. 16 Dia naoriny indray ny otelin'ny Tompo, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an'i Jodà hanompo an'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 17 Mbola nanao sorona teny amin'ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an'iza fa ho an'ny Tompo Andriamaniny. 18 Ny asan'i Manase sisa, ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny, ny tenin'ireo mpahita niteny taminy tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia efa samy voasoratra ao amin'ny asan'ny mpanjakan'Israely.

19 Ny vavaka nataony, ny nihainoan'Andriamanitra an'izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan'ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin'ny Tenin'i Hozaia. 20 Ary nodimandry any amin'ny razany Manase ka nalevina tao an-tranony. Amòna zanany no nanjaka nandimby azy. 21 Roa amby roapolo taona Amòna fony vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tao Jerosalema.

22 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo, tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, nanao sorona tamin'ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, Amòna, ary nanompo an'ireny. 23 Tsy mba nanetry tena teo anatrehan'ny Tompo tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza Amòna. 24 Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony. 25 Fa novonoin'ny vahoaka tamin'ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an'i Amòna. Dia Josiasa zanany no natsangan'ny vahoaka tamin'ny tany ho mpanjaka hisolo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103