Boky Faharoan'ny Tantara
2 Tantara toko 34
Josiasa mpanjakan'i Jodà - Ny fahazotoany handrava ny fanompoan-tsampy - Ny nahitana ny bokin'ny lalàna tao an-tempoly.
1Valo taona Josiasa fony vao nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema. 2Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo izy, ka nandeha tamin'ny làlan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia.
3Tamin'ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizany, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr'i Davida rainy izy, ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, dia natombony ny fanadiovana an'i Jodà sy Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina. 4Noravana teo anatrehany ny otelin'ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an'ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasokitra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin'ny fasan'izay nanatitra sorona taminy, 5ary nodorany teo ambonin'ireo oteliny ny taolan'ny mpisorona. Dia nanadio an'i Jodà sy Jerosalema izy. 6Ary tany amin'ny tanànan'i Manase sy Efraima mbamin'i Simeona, hatrany amin'i Neftalì, tamin'ireny tanànany rava ireny, 7dia noravany koa ny otely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasokitra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an'ny masoandro, teo amin'ny tanin'Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.
8Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rahefa voadiony ny tany sy ny tranon'Andriamanitra, dia nirahiny Safàna zanak'i Aslià sy Maasiasa komandin'ny tanàna, ary Johà zanak'i Joakaza mpitahiry bokim-panjakana, hanamboatra ny tranon'ny Tompo Andriamaniny. 9Nankao amin'i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon'Andriamanitra, nangonin'ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin'i Manase sy Efraima, mbamin'Israely rehetra sy Jodà rehetra ary Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema. 10Napetrany izany teo an-tanan'ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin'ny tranon'ny Tompo, hanamboatra sy hanamafy ny trano. 11Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanasiana sakamandimby hatao amin'ny trano nosimban'ny mpanjakan'i Jodà. 12Nefain'ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatendry hitandrina azy ireo, dia Jahata sy Abdiasa Levita tamin'ny taranak'i Merarì, Zakariasa sy Mosolama tamin'ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin'ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno. 13Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin'ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana.
14Tamin'ny fotoana namoahana ny vola voahatitra tao an-tranon'ny Tompo, dia hitan'i Helkiasa mpisorona, ny bokin'ny lalàn'ny Tompo nomena tamin'ny alalan'i Moizy. 15Ka hoy Helkiasa niteny tamin'i Safàna mpanoratra: Hitako tao an-tranon'ny Tompo ny bokin'ny lalàna; ary natolotr'i Helkiasa an'i Safàna ny boky. 16Dia nentin'i Safàna tany amin'ny mpanjaka, ka nilaza taminy koa izy, nanao hoe: Efa nataon'ny mpanomponao avokoa izay rehetra nasaina nataony; 17nalainy daholo ny vola rehetra hita tao an-tranon'ny Tompo, dia napetrany eo an-tanan'izay voatendry ho mpitandrina sy eo an-tanan'ny mpampanao ny asa. Ary mbola nisy filazana koa nataon'i Safàna tamin'ny mpanjaka hoe: 18Misy boky nomen'i Helkiasa mpisorona ahy; sady namaky teo amin'ny boky teo anatrehan'ny mpanjaka izy.
19Nony efa nandre ny tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany, 20ka nanome didy an'i Helkiasa, Ahikama zanak'i Safàna, Abdòna zanak'i Mikà, Safàna mpanoratra, ary Asaà mpanompon'ny mpanjaka hoe: 21Mandehana hianareo, manontania amin'ny Tompo, ho ahy sy ho an'izay sisa amin'Israely sy Jodà, ny amin'ny teny amin'io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran'ny Tompo nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin'ny Tompo amin'ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin'io boky io.
22Dia lasa Helkiasa mbamin'ireo voatendrin'ny mpanjaka, nankany amin'i Holdà mpaminany vavy, vadin'i Seloma, zanak'i Tekoata, zanak'i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin'ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan'izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo: 23Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo ho atý amiko hoe: Izao no lazain'ny Tompo: 24Indro aho hampidi-doza amin'ity toerana ity, sy amin'ny mponina ao aminy, dia ny ozona rehetra voasoratra amin'ny boky novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà. 25Satria izy ireo nahafoy ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra ahy tamin'ny asan-tànany rehetra, dia nirotsaka amin'ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena. 26Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Jodà, izay naniraka anareo hanontany amin'ny Tompo: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny amin'ny teny efa renao, 27noho hianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, tamin'ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin'ny mponina ao aminy; noho hianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin'ny fanetrena ny tenanao, izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin'ny Tompo. 28Indro fa hangoniko any amin'ny razanao hianao, dia ho voahangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin'ity tany ity sy amin'ny mponina eo aminy. Dia nentin'izy ireo ho any amin'ny mpanjaka izany valy azony izany.
29Ka nasain'ny mpanjaka novorina ny loholona rehetra amin'i Jodà sy Jerosalema; 30dia niakatra ho ao an-tranon'ny Tompo ny mpanjaka mbamin'ny lehilahy rehetra amin'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan'izy rehetra, ny teny ao amin'ny bokin'ny fanekena, hita tao an-tranon'ny Tompo. 31Nitsangana teo amin'ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan'ny Tompo indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an'ny Tompo izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin'ny lalàny, amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, amin'ny fanarahana ny teny amin'ny fanekena voasoratra amin'izany boky izany. 32Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema. 33Nofoanan'i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin'ny tany rehetra ananan'ny zanak'Israely, ary nodidiany hanompo an'ny Tompo Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin'Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo. >