Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-35

1 Nankalaza ny Paka tao Jerosalema Josiasa ho fankalazana an'ny Tompo, ka namono ny Paka ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany.

2 Nanendry ny mpisorona ho amin'ny raharahany avy izy, dia namporisika azy ireo hanao ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo. 3 Ary hoy izy tamin'ireo Levita nampianatra an'Israely rehetra, sy efa voahasina ho an'ny Tompo: Apetraho ao amin'ny trano nataon'i Salomona zanak'i Davida mpanjakan'Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an'ny Tompo Andriamanitrareo, sy Israely vahoakany. 4 Samia hianareo miomana, araka ny fianakavianareo sy ny antokonareo avy araka ny fandaharan'i Davida mpanjakan'Israely sy ny fandaminan'i Salomona zanany. 5 Samia ho eo amin'ny fitoerana masina, araka ny fizaram-pianakavian'ny rahalahinareo, dia ny zanaky ny vahoaka izany, isam-pizarana dia asiana antokon'ny fianakavian'ny Levita iray. 6 Dia vonoy ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an'ny rahalahinareo, hanarahan'ny olona ny tenin'ny Tompo voalaza tamin'i Moizy. 7 Nanao fanomezana tamin'ny ankapobem-bahoaka rehetra Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak'ondry aman-janak'osy, telo alina no isany, ho an'izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.

8 Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitra-po ho an'ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. Helkiasa, Zakariasa ary Jahiela, filohany ao an-tranon'ny Tompo nanome zanak'ondry enin-jato sy roa arivo sy omby telon-jato, ho an'ny mpisorona, hanaovana ny Paka. 9 Koneniasa, Semeiasa sy Natanaela, rahalahiny, Hasabiasa, Jehiala, Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome zanak'ondry dimy arivo sy omby diman-jato, ho an'ny Levita hanaovana ny Paka. 10 Toy izany no nandaharana ny fanompoana: nipetraka tamin'ny fitoerana voalahatra ny mpisorona, torak'izany koa ny Levita, araka ny antokony avy, sy araka ny didin'ny mpanjaka.

11 Novonoin'ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan'ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin'izay dia nanoditra ny sorona. 12 Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin'ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaram-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an'ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Moizy: torak'izany koa ny tamin'ny omby. 13 Natsatsiny tamin'ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin'ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin'ny ankapobem-bahoaka rehetra. 14 Izay izy ireo vao namboatra ho an'ny tenany sy ho an'ny mpisorona; fa niasa mandra-pahalin'ny andro ny mpisorona, taranak'i Aarona, nanolotra ny sorona dorana sy ny sabora; ka izany no nanamboaran'ny Levita ho an'ny tenany sy ho an'ny mpisorona, taranak'i Aarona. 15 Ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa, ary Hemana sy Iditona, mpahitan'ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin'ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa nanamboatra ny Paka ho azy. 16 Izany no nandaharana ny fanompoana an'ny Tompo tamin'izany andro izany, hankalazana ny Paka sy hanolorana sorona dorana eo ambony otelin'ny Tompo, araka ny didin'i Josiasa mpanjaka.

17 Dia nankalaza ny Paka sy ny fetin'ny azima hafitoana ny zanak'Israely izay tonga teo, tamin'izany andro izany. 18 Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin'Israely, hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan'Israely nahavita Paka torak'izay nataon'i Josiasa mbamin'ny mpisorona, ny Levita, Jodà rehetra, sy Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema. 19 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa no nanaovana izany Paka izany. 20 Tatý aorian'izany rehetra izany, rahefa voamboatran'i Josiasa ny tranon'ny Tompo, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron'i Eofrata, Nekao mpanjakan'i Ejipta: Ka dia nivoaka hitsena azy Josiasa.

21 Fa nandefa iraka ho any aminy Nekao nanao hoe: Inona no tadiavinao amiko, ry mpanjakan'i Jodà? Tsy hiady aminao no nalehako izao, fa hiady amin'ny fianakaviana izay ananako ady, sady nasain'Andriamanitra mandeha faingana aho. Ka aoka itsy, fa aza manohitra an'Andriamanitra izay momba ahy, fandrao dia ataony maty hianao. 22 Tsy nety nihodina niala taminy anefa Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin'i Nekao, avy amin'ny vavan'Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin'ny lemak'i Magedao. 23 Kanjo nitifitra an'i Josiasa mpanjaka ny mpandefa tsipìka, ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho, fa voa mafy. 24 Dia nafindran'ny mpanompony avy teo amin'ny kalesy izy, ka napetrany teo amin'ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an'i Josiasa avokoa Jodà sy Jerosalema. 25 Namoron-kira fisaonana an'i Josiasa Jeremia, ary nilaza an'i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin'ny hira fisaonana nataony mandrak'androany, ka tonga fanao eo amin'Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin'ny Fihirana fisaonana izany hira izany. 26 Ny asan'i Josiasa sisa, ny asa fitiavam-bavaka mifanaraka amin'ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo, ny asany voalohany sy farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely sy Jodà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094