Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-36

1 Joakaza, zanak'i Josiasa, no nalain'ny vahoaka tamin'ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.

2 Telo amby roapolo taona Joakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. 3 Naongan'ny mpanjakan'i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany. 4 Fa Eliasima, rahalahin'i Joakaza no nampanjakany tamin'i Jodà sy Jerosalema sy novany anarana hoe: Joakima. Ary Joakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta. 5 Dimy amby roapolo taona Joakima fony vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny izy.

6 Niakatra hamely azy Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, ka nafatony tamin'ny gadra varahina roa izy, hoentiny any Babilona. 7 Nentin'i Nabokodonozora ho any Babilona ny fanaka sasany tao an-tranon'ny Tompo, ka nataony tao amin'ny tempoliny any Babilona. 8 Ny asan'i Joakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin'ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'i Jodà sy Israely. Ary Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.

9 Valo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy.

10 Nony niherina ny taona dia nasain'i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilona izy, mbamin'ny fanaka sarobidy tao an-tranon'ny Tompo. Ary Sedesiasa rahalahin'i Joasina, no notendreny ho mpanjakan'i Jodà sy Jerosalema. 11 Iraik'amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary iraik'ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.

12 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin'ny anaran'ny Tompo. 13 Nikomy tamin'i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin'ny anaran'Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 14 Ny lehiben'ny mpisorona rehetra mbamin'ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan'ny firenena, sy nandoto ny tranon'ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.

15 Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin'izy ireo, Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin'ny alalan'ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy. 16 Kanjo niomehezan'izy ireo ny irak'Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. 17 Tamin'izay dia nentin'ny Tompo hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan'ny Kaldeana, ary novonoin'io tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tànany avokoa.

18 Nentin'i Nabokodonozora ho any Babilona avokoa ny fanaka teo an-tranon'ny Tompo, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon'ny Tompo, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an'ireo filohany. 19 Nodorany ny tranon'Andriamanitra, noravany ny mandan'i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra. 20 Nentin'i Nabokodonozora ho babo tany Babilona ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon'izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persa. 21 Izany no nahatanterahan'ny tenin'ny Tompo, tamin'ny vavan'i Jeremia: Mandra-pahazon'ny tany ny onitry ny sabatany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon'ny fitopolo taona. 22 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa, mpanjakan'i Persa, dia namporisihin'ny Tompo, ny fanahin'i Sirosa mpanjakan'i Persa, mba hahatanteraka ny tenin'ny Tompo tamin'ny vavan'i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran'ny fanjakany izao teny izao:

23 Izao no lazain'i Sirosa mpanjakan'i Persa: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0921