Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-4

1 Nanao otely varahina anidina Salomona, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.

2 Nanao ranomasina anidina izy: folo hakiho ny haben'ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny hahavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.

3 Nisy sarin'omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin'ny molony, voalahatra roa an-dàlana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anidina tamin'ity ranomasina. 4 Nipetraka tambonin'ny omby roa ambin'ny folo io ranomasina io; ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana; ny ranomasina nitaingina teo amboniny, ary ny tapa-batany aoriana rehetra, dia tao ampovoany. 5 Vody voampelatànana ny hateviny, tahaka ny an'ny kopy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano telo arivo bata no laniny. 6 Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan'ny mpisorona.

7 Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin'ny tempoly: Ny dimy teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia.

8 Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin'ny tempoly: ny dimy teo amin'ny havanana, ny dimy teo amin'ny havia. Nanao kopy volamena zato izy. 9 Nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin'ny vavahady izy. 10 Napetrany teo amin'ny havanana, eo amin'ny atsinanana somary atsimo ilay ranomasina. 11 Ary Hirama nanao ny vilany, ny sotron-davenona sy ny kopy. Dia vitan'i Hirama ny asa nataony ho an'i Salomona mpanjaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra: 12 ny andry roa, ny boriboriny mbamin'ny loha andry, izay ao an-tampon'ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin'ny loha andry, teo an-tampon'ny andry, 13 ny voan'ampongabendanitra efa-jato tamin'ny harato roa, voan'ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin'ny loha andry eo ambonin'ny andry. 14 Nanao ny tongotra, mbamin'ny tavin-drano tambonin'ny tongotra izy, 15 ary ny ranomasina, mbamin'ireo omby roa ambin'ny folo tambaniny, 16 ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo ingahy Hirama ho an'i Salomona mpanjaka, ho an'ny tranon'ny Tompo: varahina manganohano ireo zavatra ireo. 17 Tao amin'ny tany lemak'i Jordany amin'ny tany be tanimanga, anelanelan'i Sokota sy Saredà, no nampanaovan'ny mpanjaka anidina azy. 18 Be dia be ireo fanaka rehetra nataon'i Salomona ireo, ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan'ny varahina. 19 Ary nataon'i Salomona ny fanaka rehetra ho an'ny tranon'Andriamanitra, dia ny otely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.

20 Ny fanaovan-jiro mbamin'ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan'ny fitoerana masina, araka ny lalàna, 21 ny voniny, ny lalampiny, ny hetin-jiro volamena, volamena madio indrindra, 22 ny antsy, ny kopy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin'ny trano, ao amin'ny fidirana ho ao amin'ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran'ny trano ao amin'ny fidirana ho ao amin'ny tempoly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0999