Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-5

1 Toy izany no nahavitan'ny voa-javatra rehetra nataon'i Salomona amin'ny tranon'ny Tompo. Dia nalain'i Salomona ny zavatra rehetra natokan'i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin'ny fanaka rehetra ka nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo.

2 Tamin'izay dia novorin'i Salomona tany Jerosalema ny loholon'Israely sy ny lohan'ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian'ny zanak'Israely, hamindra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo avy amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe any Siona.

3 Koa nivory teo amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'Israely hanao ny fety, izay natao tamin'ny volana fahafito. 4 Nony tonga ny loholon'Israely rehetra, dia nentin'ny taranak'i Levì ny fiara.

5 Nafindrany ny fiara mbamin'ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin'ny lay, ka ny mpisorona taranak'i Levì no nitondra azy. 6 Salomona mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia samy teo anoloan'ny fiara avokoa. Namono ondry sy omby natao sorona izy ireo ary tsy azo isaina na tombanana fa maro loatra. 7 Dia nentin'ny mpisorona ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, ho ao amin'ny fitoerany, ao amin'ny fitoerana masin'ny trano, amin'ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima. 8 Ny elatr'ireo kerobima nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin'ny baony teo amboniny. 9 Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan'ny fitoerana masina, lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak'androany ny fiara. 10 Tao anatin'ny fiara, dia tsy nisy afatsy ny takelaka roa napetrak'i Moizy tao, tany Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin'ny Zanak'Israely, tamin'ny nivoahany avy tany Ejipta. 11 Tamin'ny fotoana nivoahan'ny mpisorona avy tao amin'ny fitoerana masina, - fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenany avokoa fa tsy voatana ny filaharan'ny isan-tokony,

12 ny Levita mpihira rehetra, Asafa, Hemàna, Iditòna, mbamin'ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan'ny otely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona roapolo amby zato, samy nitsoka trompetra; - 13 nony niray feo hankalaza sy hidera an'ny Tompo ireo nitsoka ny trompetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon'ny trompetra amam-kipantsona mbamin'ny zava-maneno ka nankalaza an'ny Tompo amin'ny teny hoe: Fa tsara izy, fa maharitra mandrakizay ny famindra-pony, tamin'izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon'ny Tompo. 14 Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon'Andriamanitra ny voninahitry ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375