Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-6

1 Tamin'izay, dia hoy Salomona: Tian'ny Tompo ny mitoetra eo amin'ny aizina.

2 Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay. 3 Rahefa izany, dia nitodika ny fiangonan'Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan'Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy:

4 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely fa ny vavany nilaza tamin'i Davida raiko, ary ny tànany nanatanteraka ilay nolazainy hoe: 5 Hatramin'ny andro namoahako ny vahoakako tany amin'ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin'ny fokon'Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran'ny anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an'Israely vahoakako; 6 fa Jerosalema no nofidiko hitoeran'ny anarako, ary Davida no nofidiko hanjaka amin'Israely vahoakako. 7 Nihevitra hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely Davida raiko, 8 fa hoy Iaveh tamin'i Davida raiko: Noho hianao nihevitra hanao trano ho an'ny anarako, dia zavatra soa ny nanananao izany hevitra izany. 9 Tsy hianao anefa no hanao ny trano, fa ny zanakao naloaky ny kibonao no hanao ny trano ho an'ny anarako. 10 Ary notanterahin'ny Tompo ny teny voalazany, fa nisandratra handimby an'i Davida raiko aho, sy mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny efa voalazan'ny Tompo, sady efa nanao ny tranon'ny Tompo Andriamanitr'Israely. 11 Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken'ny Tompo, dia ny fanekena nataon'ny Tompo tamin'ny zanak'Israely. 12 Dia nankeo anoloan'ny otelin'ny Tompo Salomona nanatrika ny fiangonan'Israely rehetra, sady namelatra ny tànany.

13 Fa nanao lampihazo varahina Salomona, dia natsangany teo afovoan'ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan'Israely rehetra, sy nanandratra ny tànany hanandrandra ny lanitra, 14 ary nanao hoe: Iaveh Andriamanitr'Israely o, tsy misy Andriamanitra tahaka anao, na any an-danitra na ety an-tany; mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin'ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra hianao. 15 Toy ny nitandremanao ny teninao tamin'i Davida raiko, mpanomponao, fa notanterahin'ny tànanao ny efa voalazan'ny vavanao, araka izao hita anio izao. 16 Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an'i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka eo anatrehako hianao, fa hisy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely mandrakariva, raha tany ny taranakao mitandrina ny làlana alehany ka mizotra amin'ny làlako toy ny fandehananao eo anatrehako. 17 Koa aoka ary ho tanteraka, ry Iaveh Andriamanitr'Israely, ny teny nataonao tamin'i Davida mpanomponao. 18 Fa moa dia marina va fa miara-monina amin'ny olombelona ety an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin'ny lanitry ny lanitra tsy omby anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!

19 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitro ô, tsimbino ny vavaka amam-pitarainan'ny mpanomponao, amim-pihainoanao ny antsom-pifaliana amam-pangatahana ataon'ny mpanomponao eo anatrehanao, 20 ary ny masonao ataovy mihiratra andro aman'alina amin'ity trano ity, dia eto amin'ity toerana voalazanao hametrahana ny anaranao ity, dia henoy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto amin'ity fitoerana ity. 21 Henoy ny fitarainan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin'ity fitoerana ity. Mihainoa any amin'ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka. 22 Raha misy olona manota amin'ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, koa tonga mianiana eo anoloan'ny otelinao, eto amin'ity trano ity,

23 dia mihainoa azy any an-danitra hianao, manefà ary mitsarà ireo mpanomponao ireo, ka manameloha ny meloka manatsingerina amin'ny lohany izay nataony, ary hamarino ny tsy manan-tsiny, mamalý azy araka ny fahamarinany. 24 Nony resy eo anatrehan'ny fahavalo Israely vahoakanao, noho ny nanotany taminao, raha miverina aminao indray izy sy manome voninahitra ny anaranao, raha manao fivavahana sy fifonana aminao ao anatin'ity trano ity,

25 dia mihainoa azy hianao any an-danitra, avelao ny fahotan'Israely vahoakanao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy. 26 Nony mihantona ny andro, fa tsy misy ranonorana, noho ny nanotany taminao, raha mivavaka eto amin'ity fitoerana ity izy sy manome voninahitra ny anaranao, sady miala amin'ny fahotany satria nampahorianao:

27 mihainoa azy hianao any an-danitra, avelao ny fahotan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, amin'ny fanoroana azy ny làlana tsara tokony halehany; ary alatsaho amin'ny tany nomenao ho lovan'ny vahoakanao, ny ranonorana. 28 Nony tonga amin'ny tany ny mosary, nony misy ny pesta, nony misy ny roly, ny niela, ny valala, ny hasila, nony ataon'ny fahavalo fahirano ao amin'ny taniny sy eo am-bavahadiny ny vahoakanao, na misy loza inona na misy aretina inona,

29 raha misy olona iray, raha Israely rehetra vahoakanao, manao vavaka amam-pifonana, ary samy mahalala ny fijaliany amam-pahoriany avy ny olona, ka mamelatra ny tànany manandrify ity trano ity, 30 dia mihainoa azy hianao any an-danitra amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ka mamelà heloka; samy valio araka ny làlany rehetra avy izy, hianao mahalala ny fony, fa hianao irery no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra, 31 mba hatahorany anao eo am-pizorana amin'ny làlanao mandritra ny andro rehetra hiainany eo ambonin'ny tany nomenao ny razany. 32 Ny amin'ny vahiny, tsy anisan'Israely vahoakanao, fa avy any an-tany lavitra, noho ny anaranao lehibe, ny tànanao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin'ity trano ity izy,

33 dia mihainoa azy hianao any an-danitra amin'ny fitoeran'ny fonenanao; tanteraho izay rehetra angatahin'izany vahiny izany aminao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao, hatahorany anao tahaka an'Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin'ity trano nataoko ity ny anaranao. 34 Nony hivoaka hiady amin'ny fahavalony, ny vahoakanao manaraka ny làlana andefasanao azy, raha mivavaka mitodika ity tanàna nofidinao ity sy ity trano nataoko ho an'ny anaranao ity,

35 dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ary omeo ny rariny izy. 36 Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy hianao, dia manolotra azy amin'ny fahavalony ary ny mpandresy hitondra azy ho babo any an-tany lavitra na akaiky,

37 raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin'ny tany nahababo azy, ka miverina aminao, sy manolotra fifonana aminao, any amin'ny tany nahababo azy, manao hoe: Nanota izahay, nanao ratsy izahay, nahavita heloka izahay, 38 raha miverina aminao amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra izy, any amin'ny tany nahababo azy, izay nitondrana azy babo, ka mivavaka aminao mitodika atý amin'ny tany nomenao ny razany, atý amin'ny tanàna nofidinao sy atý amin'ny trano nataoko ho an'ny anaranao, 39 mihainoa hianao any an-danitra any amin'ny fitoeran'ny fonenanao, ny vavaka amam-pifonany, omeo rariny izy, ary avelao ny fahadisoan'ny vahoakanao, izay nataony taminao. 40 Ary ankehitriny, ry Andriamanitra ô, aoka hahiratan'ny masonao sy hohenoin'ny sofinao ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity!

41 Ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitra, aoka hitsangana hianao ho any amin'ny fitoerana fitsaharanao, dia hianao sy ny fiaran'ny herinao! Aoka hitafy famonjena ny mpisoronao, ry Iaveh Andriamanitra, ary aoka hiarana amin'ny hasambarana ny olonao masina. 42 Aza atosi-boho-tànana ny tavan'ny voahosotrao, ry Iaveh Andriamanitra ô, fa tsarovy ny fahasoavana nomena tamin'i Davida mpanomponao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1388