Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-7

1 Nony tapitra ny vavak'i Salomona, dia nodoran'ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin'ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitry ny Tompo.

2 Ka tsy afa-niditra tao an-tranon'ny Tompo ny mpisorona, fa feno ny voninahitry ny Tompo ny tranony. 3 Nahita ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitry ny Tompo teo ambonin'ny trano ny zanak'Israely rehetra, ka niankohoka tamin'ny tany tamin'ny lampivato, niankohoka nidera an'ny Tompo nanao hoe: Fa tsara izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 4 Dia nanolotra sorona teo anatrehan'ny Tompo ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra.

5 Omby roa arivo amby roa alina, sy ondry roa alina sy iray hetsy, no novonoin'i Salomona mpanjaka natao sorona. Toy izany no nanaovan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny fitokanana ny tranon'Andriamanitra. 6 Ny mpisorona nitsangana tamin'ny fitoerany avy, mbamin'ny Levita koa nitondra ny zava-manenon'ny Tompo izay nataon'i Davida mpanjaka, hiderana an'ny Tompo hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha nankalaza an'ny Tompo tamin'ny alàlan'izy ireo izy. Nitsoka trompetra tandrifin'ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana Israely rehetra. 7 Nohamasinin'i Salomona ny afovoan'ny kianja, eo anoloan'ny tranon'ny Tompo, fa teo no nanolorany ny sorona dorana mbamin'ny saboran'ny sorom-pihavanana, satria tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny sabora, ny otely varahina nataony. 8 Hafitoana no nankalazan'i Salomona ny fety tamin'izany, dia izy mbamin'Israely rehetra, vahoaka zavon-tany hatrany amin'ny hadilàlan'i Emata ka hatrany amin'ny ranon-driakan'i Ejipta.

9 Nony tamin'ny andro fahavalo, dia nanao ny fivoriana famaranana ny fety izy, fa hafitoana no nanaovany ny fitokanan'ny otely, ary hafitoana no nanaovany ny fety. 10 Ary tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahafito, dia nampodin'i Salomona ho any an-dainy avy ny vahoaka; samy faly sy ravoravo avokoa, noho ny soa nataon'ny Tompo tamin'i Davida, tamin'i Salomona ary tamin'Israely vahoakany. 11 Vitan'i Salomona ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka, sady efany soa aman-tsara izay rehetra noheverin'ny sainy hatao tao amin'ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka.

12 Ary niseho taminy Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity. 13 Koa nony hampihantona ny andro aho ka tsy hisy ranonorana, nony asaiko handevona ny tany ny valala, na haniraka ny pesta ho ao amin'ny vahoakako, 14 raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny anarako, ka miala amin'ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy aho any an-danitra, hamela ny fahotany aho, sady hahasitrana ny taniny. 15 Ary ankehitriny dia hahiratan'ny masoko sy hohenoin'ny sofiko ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity. 16 Fidìko sy hamasiniko hatramin'izao ity trano ity, hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko. 17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao hianao, ka manaraka an'izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, 18 dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin'i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin'Israely hianao na oviana na oviana. 19 Fa raha mivily kosa hianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan'ireny; 20 dia hofongorako amin'ny taniko izay nomeko azy izy ireo; ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity, hariako tsy ho eo anatrehako, sy hataoko zary fandatsa sy fanarabian'ny olona any amin'ny firenena rehetra. 21 Ka ity trano ity izay efa voasandratra avo erý, hanjary fitalanjonan'izay rehetra handalo azy, sy hataony hoe: Naninona re no dia nataon'ny Tompo toy izao ity tany sy ity trano ity? 22 Dia hamaly ny olona hanao hoe: Satria izy ireo nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izay namoaka azy tany amin'ny tany Ejipta, ary nifikitra tamin'andriamani-kafa, niankohoka teo anatrehan'ireny, ary nanompo ireny, ka izany no nampianjerany an'izao loza rehetra izao taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0832