Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-8

1 Nony afaka ny roapolo taona, ka efa vitan'i Salomona ny tranon'ny Tompo sy ny tranony,

2 dia naoriny indray ireo tanàna nomen'i Hirama azy, ka zanak'Israely no namponeniny tao. 3 Notafihin'i Salomona, Etama-Sobà, ka azony.

4 Dia nanorina an'i Tadmora tany an'efitra izy, mbamin'ireo tanàna fitehirizana rehetra any amin'ny faritanin'i Emata. 5 Naoriny koa Betorona ambony sy Betorona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady ary karetsaka hazo. 6 Baalata mbamin'ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Salomona, ny tanàna rehetra ho an'ny kalesy, ny tanàna ho an'ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin'izay rehetra tian'i Salomona naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin'ny tany rehetra nanapahany. 7 Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin'ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, izay tsy isan'Israely, 8 dia ny taranak'ireo, izay nandimby azy nipetraka tamin'ny tany, ka tsy naringan'ny zanak'Israely, no nalain'i Salomona ho mpanao fanompoana, mandrak'androany. 9 Fa tsy mba nisy nandevozin'i Salomona nampanaovina ny raharahany ny zanak'Israely, na dia iray aza; fa izy ireo kosa no miaramilany sy mpifehy ny manam-boninahiny ary komandin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. 10 Dimampolo sy roan-jato no lehiben'ny komadaoron'i Salomona mpanjaka, niandraikitra ny fanapahana ny vahoaka. 11 Nasain'i Salomona niakatra avy any an-tanànan'i Davida, ny zanakavavin'i Faraona, ho ao amin'ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: Tsy hitoetra ao an-tranon'i Davida mpanjakan'Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran'ny fiaran'Andriamanitra.

12 Tamin'izany Salomona dia nanatitra sorona dorana ho an'ny Tompo teo ambonin'ny otelin'ny Tompo izay naoriny teo anoloan'ny fidirana.

13 Ka izay voadidin'ny lalàn'i Moizy dia nateriny isan'andro sy isan-tsabata; ary amin'ny voalohan'ny volana, sy amin'ny fety, intelo isan-taona, dia ny fetin'ny azima, ny fetin'ny herinandro, ary ny fetin'ny tabernakla. 14 Notendreny, araka ny nandaharan'i Davida rainy azy, ny antokon'ny mpisorona ho amin'ny fanompoany, sy ny Levita ho amin'ny anjara raharahany, hankalaza an'ny Tompo sy hanao fanompoana eo anoloan'ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavaravana ho an'ny isam-baravarana, araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan'i Davida, olon'Andriamanitra, azy. 15 Tsy nihatahana ny didin'ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin'ny zavatra inona na amin'ny zavatra inona, indrindra fa ny amin'ny momba ny rakitra. 16 Toy izany no efa nahavoavoatra ny asa rehetra nataon'i Salomona hatramin'ny andro nanorenana ny tranon'ny Tompo ka hatramin'ny nahavitany. Dia vita ny tranon'ny Tompo.

17 Tamin'izay Salomona dia nankany Asiongabera sy Ailata eo amoron'ny ranomasina, any amin'ny tanin'i Efoma.

18 Ary nampanaterin'i Hirama sambo sy mpanompo mahay ranomasina ho azy, ny mpanompony. Dia niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Salomona ireo, ho any Ofira, dia naka talenta volamena dimampolo sy efa-jato ireo, nentiny ho any amin'i Salomona mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0466