Boky Faharoan'ny Tantara

Toko faha-9

1 Rahefa nandre ny lazan'i Salomona ny mpanjakavavin'i Sabà, dia tonga tao Jerosalema izy, hizaha toetra an'i Salomona amin'ny ankamantatra, narahin'ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vatosoa koa. Nandroso ho any amin'i Salomona izy, dia nolazainy taminy avokoa izay rehetra tao am-pony.

2 Voavalin'i Salomona avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin'ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana na dia iray aza. 3 Ka nony hitan'ity mpanjakavavin'i Sabà ny fahendren'i Salomona sy ny trano nataony, 4 ny sakafo teo ambony latabany, ny efi-tranon'ny mpanompony; ny efi-trano amam-pitafian'ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian'ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon'ny Tompo, dia talanjona foana teo izy, 5 ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe: Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin'ny taniko, ny amin'ny tenanao amam-pahendrenao! 6 Tsy nino ny filazan'ny olona aho, fony mbola tsy tonga sy tsy nahita maso; kanjo mbola tsy ampy antsasany ny voalaza tamiko ny amin'ny halehiben'ny fahendrenao! Manohatra ny reko tamin'ny filazan'olona hianao. 7 Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava sy mandre ny fahendrenao! 8 Isaorana anie Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany, ho mpanjaka ho an'ny Tompo Andriamanitrao! Noho ny fitiavan'Andriamanitrao an'Israely, ary mba hampaharitra azy mandrakizay no nananganany anao ho mpanjaka ao aminy, mba hanao ny hitsiny sy ny rariny. 9 Talenta volamena valopolo amby zato sy zava-manitra sesehena, ary vato soa no nomeny ny mpanjaka. Tsy nisy zava-manitra be sahala amin'izany nomen'ny mpanjakavavin'i Sabà an'i Salomona izany intsony.

10 Ireo mpanompon'i Hirama sy ireo mpanompon'i Salomona nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala amam-batosoa kosa.

11 Ka ny hazo santala dia nanaovan'ny mpanjaka arofanina amin'ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka, ary harpa aman-dokanga ho an'ny mpihira. Tsy mbola nisy nahita hazo toy izany taloha, teo amin'ny tanin'i Jodà. 12 Nomen'i Salomona an'ny mpanjakavavin'i Sabà avokoa izay niriny sy nangatahiny, mihoatra noho izay nentiny ho an'ny mpanjaka aza. Dia niverina izy, ka lasa nody any amin'ny taniny, izy mbamin'ny mpanompony.

13 Ny lanjan'ny volamena tonga tao amin'i Salomona amin'ny indrain-taona, dia talenta volamena enina amby enimpolo sy enin-jato,

14 afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra amam-pandranto taminy; ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny governoran'ny tany nitondra volamena amam-bolafotsy ho an'i Salomona. 15 Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voatefy Salomona mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin'ny isan'ampinga;

16 ary ampinga madinika telon-jato tamin'ny volamena voatefy, volamena telon-jato sikla avy no lany tamin'ny isan'ampinga, dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ilay trano alan'i Libàna ireo. 17 Nanao seza fiandrianana ivoara lehibe ny mpanjaka ka nopetahany volamena madio. 18 Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin'ny seza fiandrianana, fitehenan-tànana teo an-daniny avy amin'ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tànana, 19 ary liona roa ambin'ny folo teo amin'ny ambaratonga enina, dia enina an-daniny avy. Tsy mbola nisy zavatra vita toy izany, tany amin'ny fanjakana hafa rehetra. 20 Volamena avokoa ny kapoaka fisotroan'i Salomona mpanjaka, volamena madio avokoa, ny fana-pihinanana tao amin'ny trano alan'i Libàna. Tsy nisy volafotsy na dia iray aza, fa natao tsinontsinona izany, tamin'ny andron'i Salomona. 21 Satria, nanan-tsambo mpankany Tarsisa niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama ny mpanjaka, ka tonga isan-telo taona ny sambon'i Tarsisa nitondra volamena amam-bolafotsy sy ivoara, ary rajako amam-boromailala. 22 Ambony noho ny mpanjakan'ny tany rehetra Salomona amin'ny harena amam-pahendrena.

23 Ka samy nitady hahita an'i Salomona avokoa ny mpanjaka rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon'Andriamanitra tao am-pony; 24 ary samy nitondra ny fanatiny avy isan-taona izy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly ary mole. 25 Nanana fihinanam-bilona efatra arivo Salomona, ho an'ny soavaliny hatao amin'ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay napetrany tamin'ireo tanàna fitoeran-kalesy ary tao Jerosalema akaikin'ny mpanjaka. 26 Nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra izy, hatramin'ny Ony ka hatramin'ny Filistina ary hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta. 27 Ny volafotsy, tany Jerosalema, nataon'ny mpanjaka ho ankabetsahana toy ny vato, ary ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka. 28 Ny tany Ejipta sy ny tany rehetra, dia samy nangalan-tsoavaly ho an'i Salomona avokoa. 29 Ny sisa tamin'ny asan'i Salomona, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natàna mpaminany, sy amin'ny faminanian'i Ahiasa avy any Silao, ary amin'ny fahitan'i Adao ny amin'i Jeroboama zanak'i Nabata?

30 Efapolo taona no nanjakan'i Salomona tany Jerosalema tamin'Israely rehetra.

31 Dia nodimandry any amin'ny razany Salomona, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida rainy, ary Roboama zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4415