Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko voalohany

1 Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonì ka izay tafaray ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.

4 Tonga reharehanay any amin'ny Eglizin'Andriamanitra hianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin'ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. 5 Famantarana ny hamarinan'ny fitsaran'Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay antony iaretanareo hianareo. 6 Satria, moa tsy izao va no rariny amin'Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an'izay mampahory anareo,

7 sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahoriana, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan'ny afo miredareda, Jesoa Tompo mbamin'ny anjelin'ny heriny, 8 hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin'i Jesoa Tompontsika? 9 Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny tavan'ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an'ireny, 10 amin'ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra azy eo amin'ny olo-masiny, sy higagana azy eo amin'izay rehetra nino; ary hianareo dia nino ny fanambaranay ny Evanjely teo aminareo. 11 Mandra-pihavin'izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon'ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo hianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan'ny finoanareo, 12 ka hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesoa Tompo, sy hianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan'ny Andriamanitsika sy Jesoa-Kristy Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771