Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-3

1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin'Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny aty aminareo;

2 ary mba ho afaka amin'ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an'ny olona rehetra moa ny finoana. 3 Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin'ny ratsy. 4 Matoky anareo ao amin'ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay hianareo. 5 Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dàlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faharetan'ny Kristy. 6 Mandidy anareo amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin'ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.

7 Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay. 8 Tsy mba nihina-mofon'olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman'alina, ka sasatra sy trotraka erý, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza; 9 tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo. 10 Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana koa. 11 Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana. 12 Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin'i Jesoa-Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany. 13 Ary aoka hianareo, ry rahalahy, tsy ho ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.

14 Raha misy tsy manaiky ny teninay amin'ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambankambana aminy intsony mba hahamenatra azy. 15 Aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro toy ny rahalahy. 16 Ny Tompon'ny fiadanana anie hanome fiainana anareo mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. 17 Ity no veloma soratan'ny tànako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.

18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083