Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitra-pon'Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin'ny Kristy Jesoa,

2 mamangy an'i Timote, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy ny Kristy Jesoa Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho, araka ny nataon'ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman'alina amin'ny fivavahako.

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno hafaliana. 5 Tsaroako koa ny finoana tsy misy fahony ao anatinao, izay nitoetra tao amin'i Loisa renibenao taloha, dia tao amin'i Eonisa reninao indray, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izao. 6 Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tànana taminao.

7 Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. 8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'ny Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, 10 sy naharihary ankehitriny, tamin'ny nisehoan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika, ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely. 11 Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny jentily; 12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay. 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao. 15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan'ireny Figelo sy Hermogena.

16 Fa homen'ny Tompo famindram-po kosa anie, ry Onesiforo mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako, 17 fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Roma ka nahita ahy; 18 ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay, ary hianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1017