Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-2

1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin'ny fahasoavana ao amin'ny Kristy Jesoa hianao;

2 ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro, hafindranao amin'ny olona matoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray. 3 Miareta ny anjara fijalianao amin'ny maha-miaramila tsaran'ny Kristy Jesoa anao. 4 Ny miaramila te-hahazo sitraka amin'izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao; 5 izay mifaninana hahazo loka amin'ny kianja filalaovana koa tsy mahazo satro-boninahitra raha tsy niady ara-dalàna; 6 ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka rahefa izany vao mandray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen'ny Tompo fahalalana amin'ny zavatra rehetra hianao. 8 Tsarovy fa Jesoa-Kristy, ilay avy amin'ny taranak'i Davida, dia nitsangana tamin'ny maty araka ny Evanjely torìko,

9 izay iaretako fijaliana hatramin'ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin'Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. 10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin'ny olom-pinidy, mba hahazoan'izy ireo koa ny famonjena izay ao amin'ny Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà azy isika, dia izy koa handà antsika; 13 raha mivadika isika, izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. 14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba hiseho amin'Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin'ny teny fahamarinana. 16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian'ireny mpanao izany, 17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin'ireny Himeneo sy Fileto, 18 izay nania tamin'ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan'ny maty, ary mandrava ny finoan'ny sasany. 19 Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra, sady voaisy tombo-kase hoe: Fantatry ny Tompo ny azy, sy hoe: Aoka hiala amin'ny ratsy izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo. 20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin'ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona. 21 Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin'ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an'ny tompony ary voaomana amin'ny asa soa rehetra. 22 Andosiro ny filàn'ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin'izay miantso ny anaran'ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny. 24 Fa tsy mety amin'ny mpanompon'Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen'Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy, 26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin'ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitra-pony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1119