Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-4

1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:

2 mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. 3 Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; 4 dia hanentsin-tadiny amin'ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin'ny angano foana. 5 Fa hianao kosa, malìna amin'ny zavatra rehetra, miareta amin'ny fahoriana, ataovy ny asan'ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. 6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. 7 Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; 8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa. 9 Tongàva faingana aty amiko hianao; fa nilaozan'i Demasy aho, noho ny fitiavany an'izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonìka izy.

10 Kresensy lasa nankany Galatia, ary Tito any Dalmatia. 11 Lioka irery no eto amiko, ka alao Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin'ny raharaha izy. 12 Tisiko dia nirahiko ho any Efezy. 13 Ento kely ilay kapaoty navelako tany Troasy ao amin'i Karposa rahefa mankaty hianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra. 14 Be loatra ny ratsy nafitsok'i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany. 15 Ary hianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay. 16 Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga ka tsy hotanana ho helony izany!

17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho. 18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena. 19 Veloma any amin'i Priskà sy Akilasy ary ny fianakavian'i Onesiforo.

20 Nijanona any Korinto i Erasta; ary navelako any Mileto i Trofimo fa narary. 21 Aza ela, fa tongava aty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo, sy Podensy, sy Lino, ary Klaodià, mbamin'ny rahalahy rehetra. 22 Ho amin'ny fanahinao anie Jesoa-Kristy Tompo. Ary ho aminareo anie ny fahasoavana. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0449