Epistola Fahatelon'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izaho anti-dahy, mamangy an'Gaiosa malala, izay tiako araka ny marina.

2 Ry malala, iriko ho toraka ny an'ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao. 3 Faly loatra aho, fa nisy rahalahy tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. 5 Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin'ny rahalahy, fa indrindra amin'ireo vahiny;

6 ka nambaran'izy ireo teo anatrehan'ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an'Andriamanitra hianao, amin'ny fandehanan'izy ireo; 7 fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan'izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin'ny jentily izy. 8 Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. 9 Nanoratra kely tamin'ny Eglizy aho, nefa tsy te-handray anay Diotrefesa izay te-ho lohan'izy ireo.

10 Ka rahefa tonga aho dia hopotsiriko ny nataony, sy ny bedibedy foana anaratsiany anay. Sady tsy afa-po amin'izany ihany izy; fa ny tenany, tsy mandray ny rahalahy; izay te-handray ireo koa, sakanany sy roahiny amin'ny eglizy. 11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Milaza soa an'i Demetriosa ny olona rehetra mbamin'ny fahamarinana aza; izahay koa milaza izany, ary fantatrao fa marina ny filazanay.

13 Manan-javatra maro hosoratana aminao aho, fa tsy tiako atao amin'ny ranomainty sy ny penina izany.

14 Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka mifanatrika isika. 15 Ho aminao anie ny fiadanana. Manao veloma anao ny sakaizantsika. Veloma any amin'ny sakaizantsika tsirairay avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719