Bokin'i Abdiasa

Toko voalohany

1 Fahitan'i Abdiasa. Izao no nolazain'ny Tompo Iaveh tamin'i Edoma: - Nandray filazana avy amin'ny Tompo izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -

2 Indro hianao efa nataoko kely eo amin'ny firenena dia faniratsira indrindra.

3 Ny avonavon'ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anakampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin'ny tany?

4 Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza hianao, ka hametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, dia hampidina anao avy eny aho, - teny marin'ny Tompo.

5 Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra, na ny mpandroba alina - Endrey izany faharavanao! - moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany? Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao, moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?

6 Endrey izany fisava an'i Esao! Endrey izany fikaroka ny rakiny miafina!

7 Nanosika anao hatrany an-tsisin-tany avokoa, ireo vita fanekena taminao; namazivazy anao, naharesy anao ireo izay nifaly tamin'ny fihavanany aminao; ry zareo nihinana ny haninao, namela-pandrika eo ambanin'ny dianao. Tsy misy saina azo aminy.

8 Moa amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, tsy hofongorako va ny olon-kendry ao Edoma, sy ny fahazavan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao?

9 Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna, mba ho voafongotra rahefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr'i Esao.

10 Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin'i Jakoba rahalahinao, dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay hianao.

11 Tamin'ny andro nitsangananao nanandrify azy, tamin'ny andro nitondran'ny fahavalo ny miaramilany, sy nitsofohan'ny hafa firenena amin'ny vavahadiny, ka nanaovany loka an'i Jerosalema, dia toy ny iray tamin'ireny koa hianao.

12 Aza faly mijery ny andron'ny rahalahinao, amin'ny andro idiran-doza aminy; aza mifaly amin'ny momba ny taranak'i Jodà, amin'ny andro andringanana azy; ary aza dia avoavo fiteny amin'ny andron'ny fahoriany.

13 Aza miditra ny vavahadin'ny vahoakako, amin'ny andro ahitany loza; aza faly mijery ny fahoriany koa hianao, amin'ny andro ahitany loza; ary aza maninji-tànana haka ny fananany, amin'ny andro ahitany loza.

14 Aza miandry eo am-pihaonan-dàlana, hamono ny mandositra avy any aminy; aza manolotra ireo afa-nandositra, amin'ny andron'ny fahoriany.

15 Fa efa akaiky ny andron'ny Tompo amin'ny firenena rehetra; ka toraky ny nataonao no hatao aminao; hitsingerina ho eo an-dohanao, ny asanao.

16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan'ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.

17 Ao an-tendrombohitra Siona kosa hisy sisa nanamborana; ho fitoerana masina izy; ary hahazo ny fananany indray ny taranak'i Jakoba.

18 Ny taranak'i Jakoba, ho afo; ny taranak'i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak'i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr'ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak'i Esao, fa Iaveh no efa niteny.

19 Ny tendrombohitr'i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin'ny Filistina ho an-dry zareo amin'ny Sefelah; hanana ny faritanin'i Efraima izy ireo, mbamin'ny faritanin'i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an'i Galaada.

20 Ireo lasan-ko babo tamin'ny tafiky ny zanak'Israely hahalasa ny tanin'ny Kananeana, hatrany Sareptà. Ary ireo lasan-ko babo tamin'i Jerosalema izay any Sefarada hanana ny tanàna any amin'ny Negeba.

21 Ka hisy mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siona hitsara ny tendrombohitr'i Esao; ary ho an'ny Tompo ny fanjakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462