Bokin'i Amosy
Amosy toko 1
Ny fitsarana ny Siriana, ny Filistina, ny Tiriana, ny Edomita, ny Amonita.
1Tenin'i Amosy, isan'ireo mpiandry ondry tao Tekoe. Izay hitany momba an'Israely, tamin'ny andron'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasa, mpanjakan'Israely, roa taona talohan'ny horohoron-tany. Hoy izy:
2Hierona avy ao Siona Iaveh;
ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema izy;
ny tany fiandrasan'ny mpiandry ondry, hisaona;
ary ny tampon'i Karmela, ho maina.
3Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Damasa,
ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria izy ireo nanorotoro an'i Galaada
tamin'ny ambarambana vy,
4dia handefasako afo ny tranon'i Hazaely
ka handevona ny lapan'i Ben-Hadada izany.
5Homontsaniko ny hidin'i Damasa,
haringako ny mponina ao Bikata Avena,
ny mitana ny tehim-panjakana any Beta-Edena;
ary ho entina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria,
hoy Iaveh.
6Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Gazà,
sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy.
Satria olona babo an'andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany
mba hatolony ho any Edoma,
7dia handefa ny afo ao anatin'ny mandan'i Gazà aho
ka handevona ireo lapany izany;
8haringako ny mponina rehetra ao Azota,
sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalona;
dia hafotitro amin'i Akkarona indray ny tànako;
ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina,
hoy ny Tompo Iaveh.
9Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Tira
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nanolotra olona babo an'andiany mihitsy ho any Edoma izy,
fa tsy nahatsiaro ny fanekem-pirahalahiana,
10dia handefa ny afo ao ambonin'ny mandan'i Tira aho,
ka handevona ireo lapany izany.
11Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Edoma,
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy,
fa namono ny fangoraham-po
ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany,
12dia handefa afo ho ao Temàna aho
ka handevona ny lapan'i Bosrà izany.
13Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'ny taranak'i Ammona,
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria notatahany ny kibon'ny vehivavy bevohoka teo Galaada,
mba hanitarany ny faritaniny,
14hampirehitra afo ao ambonin'ny mandan'i Rabaha aho,
ka handevona ny lapany izany,
eo amin'ny akoran'ady toy ny amin'ny andro iadiana,
sy eo amin'ny rivo-mahery mitambolombolona amin'ny andron'ny tafio-drivotra.
15Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany,
dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa,
hoy Iaveh. >