Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 2
Fitsarana an'i Moaba, sy Jodà, ary Israely.

       1Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Moaba,
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nodorany ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma,
nataony zary sokay,
       2dia handefa ny afo ho ao amin'i Moaba aho,
ka handevona ny lapan'i Kariota izany;
ary Moaba ho faty ao anatin'ny tabataba be,
sy ny akoran'ady, mbamin'ny feon-trompetra.
       3Hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy
ary hovonoiko miaraka aminy avokoa ny mpanapaka ao aminy,
hoy Iaveh.
       4Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'i Jodà,
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria nanary ny lalàn'ny Tompo izy,
sady tsy nitandrina ny didiny,
ka nety havilivilin'ny sampin-daingany,
dia ireo izay narahan'ny razany,
       5dia handefa ny afo ho ao amin'i Jodà aho
ka handevona ny lapan'i Jerosalema izany.
       6Izao no lazain'ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon'Israely
sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.
Satria namidiny vola ny marina;
ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
       7satria iriny mafy ny mahita ny vovo-tany
eo an-dohan'ny olona ory;
sy ataony izay hiketrahan'ny làlan'ny madinika;
satria olo-mianaka izy samy mandeha amin'ny zazavavy iray ihany
mba handotoany ny anarako masina;
       8satria lamba azony tamin'ny tsatòka no iamparany
eny anilan'ny otely rehetra eny;
ary ny divay avy amin'izay nosaziny lamandy no sotroiny
ao an-tranon'Andriamaniny.
       9Teo anoloan'izy ireo anefa no nandringanako ny Amoreana
izay avo be hoatra ny sedera,
sy matanjaka hoatra ny oaka.
Noravako avokoa ny voany teny ambony,
sy ny fakany teo ambany.
       10Nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta anefa aho,
sy nitari-dàlana anareo, efapolo taona, tany an'efitra,
mba hametrahako anareo ho tompon'ny tanin'ny Amoreana.
       11Nanangana mpaminany, tamin'ireo zanakalahinareo aho,
sy nazareana tamin'ireo zatovonareo,
- sa tsy izany va, ry zanak'Israely? - teny marin'ny Tompo.
       12Kanjo ny nazareana nampisotroinareo divay;
ary ny mpaminany, nomenareo didy hoe: Aza maminany!
       13Indro aho efa hanosihosy anareo,
hoatra ny fanosihosin'ny sarety raha feno amboara.
       14Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra;
ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony;
ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy;
       15ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;
ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;
ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
       16Ary ny mahery fo amin'ny mahery
handositra miboridana amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo. >