Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 3
Ny helok'Israely - Famaizana azy.

       1Henoy izao teny izao notononin'ny Tompo
ny aminareo, ry zanak'Israely,
ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:
       2Hianareo irery no fantatro
tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
ka izany no hamaizako anareo
noho ny helokareo rehetra.
       3Miara-mandeha va ny olona roa,
raha tsy efa nifanaiky izy?
       4Mierona any an'ala va ny liona,
raha tsy efa nahazo remby?
Maneno any an-davany va ny feon'ny liona tanora,
raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
       5Latsaka amin'ny fandrika eo amin'ny tany va ny fody,
raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?
Moa miainga avy eo amin'ny tany va ny fandrika,
raha tsy efa nahazo zavatra izy?
       6Trompetra va no haneno ao an-tanàna,
ka tsy hivadi-po ny vahoaka?
Misy loza tonga amin'ny tanàna va,
raha tsy Iaveh no nahatonga izany?
       7Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,
raha tsy efa nanambara ny heviny miafina
tamin'ny mpaminany, mpanompony.
       8Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra?
Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
       9Ampandreneso eo ambonin'ny lapan'i Azota izao teny izao,
ary eo ambonin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ejipta koa,
ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria hianareo,
ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy,
sy izato fahasiahana ao anatiny.
       10Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin'ny Tompo,
dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana
ao anatin'ny lapany.
       11Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy,
ka ny herinao hendahany aminao;
ary ny lapanao ho voaroba.
       12Izao no lazain'ny Tompo:
Toy ny fanatsoaky ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan'ny liona
ny ranjo roa na tendron-tsofina iray,
no famonjy ny zanak'Israely izay mipetraka ao Samaria,
eo an-joron'ny sezabe, eo ambonin'ny ondana avy any Damasa.
       13Mihainoa hianareo ka lazao marina eny amin'ny taranak'i Jakoba,
- teny marin'ny Tompo Iaveh, Andriamanitry ny tafika:
       14Amin'ny andro hamaliako an'Israely noho ny fandikany ny lalàna,
no hamaliako ny momba an'ireo otely ao Betela koa;
hokapaina ny tandroky ny otely
ka hianjera amin'ny tany.
       15Hasiako ny trano ririnina
aman-trano fahavaratra;
hosimbana ny trano ivoara,
ary horavana ny trano maro, - teny marin'ny Tompo. >