Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 4
Ravaka amam-pahalotoan'ny vehivavy - Mahita ny fombam-pivavahana betsaka atao tsy tapaka ny Israelita, ka tsy azony an-tsaina ny famaizan'Andriamanitra azy - Hany sisa handrasana dia ny famaizana farany.

       1Henoinareo izao teny izao, ry ombivavin'i Basàna,
izay eny an-tendromohitr'i Samaria,
dia hianareo izay mampahory ny osa,
sy manosihosy ny tsy manana,
hianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe:
Mitondrà hosotrointsika!
       2Nianiana tamin'ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh:
Indro ho avy aminareo ny andro
hipaohana anareo amin'ny farango,
sy ny taranakareo, amin'ny firombaka.
       3Hivoaka eo amin'ny banga
samy amin'izay hitsiny avy hianareo,
dia horoahina ho any Armona, - teny marin'ny Tompo.
       4Mankanesa any Betela ka manotà;
sy any Galgala, ka mampitomboa ny fahotana!
Ento isa-maraina ny soronareo;
ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!
       5Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay;
miantsoa ny fanatitra an-tsitra-po, ka torio am-pahibemaso izany!
Fa izany no tianareo, ry zanak'Israely,
- teny marin'ny Tompo Iaveh.
       6Koa noho izany nataoko madio nify hianareo teny an-tanànanareo rehetra teny
sy mosaren-kanina eny amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       7Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo,
raha mbola telo volana sisa vao ho fararano;
tamin'ny tanana iray nataoko avy ny orana;
fa tamin'ny tanana iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana;
ny faritany iray tondrahan'ny orana;
fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan'ny orana dia nihamaina.
       8Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa,
mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       9Nasiako hianareo, tamin'ny fahalovan'ny vary sy tamin'ny tomboka;
ny zaridainanareo maro, ny tanim-boalobokareo, sy ny aviavy aman'olivanareo,
dia ny valala no nihinana izany,
nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       10Hianareo, nanirahako ny pesta;
toy ny fisian'izany any Ejipta;
novonoiko tamin'ny sabatra ny zatovonareo,
ary tamin'izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo;
nampanetona ny hamaimbon'ny tobinareo aho
ka tonga eo am-bavoronareo;
nefa tsy niverina tamiko hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       11Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo aho
toy ny nanakorokoroan'Andriamanitra
an'i Sodoma sy Gomora,
ary hianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin'ny hain-trano;
nefa tsy niverina tamiko ihany hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       12Ka noho izany, izao no hataoko aminao, ry Israely.
Koa rahefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna amin'izany fihaonana amin'Andriamanitrao hianao, ry Israely.
       13Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra;
izay mampahafantatra ny heviny, amin'ny olombelona,
izay mahatonga ny maraina ho maizina,
sy mandia ny tampon'ny tany?
Iaveh, Andriamanitry ny tafika no anarany. >