Bokin'i Amosy

Toko faha-7

1 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko, dia indro izy fa namorona valala, tamin'ny fotoana vao itsimohan'ny kolokolo, dia ny kolokolo avy nijinjana ho an'ny mpanjaka.

2 Nony tapitra lanin'ireny avokoa ny ahitra amin'ny tany, dia hoy aho: Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka! Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.

3 Ary nanenina amin'izay Iaveh. Tsy hisy izany, hoy Iaveh.

4 Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko: dia indro tonga Iaveh hanasazy amn'ny afo, dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo, sy nandevona ny anjara-lovan'ny Tompo.

5 Ka hoy aho: Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô! Ahoana no haharetan'i Jakoba? fa kely izy.

6 Nanenina Iaveh. Tsy hisy izany koa, hoy ny Tompo Iaveh.

7 Izao no nasehon'ny Tompo tamiko: dia indro fa nitsangana teo ambonin'ny rindrina mijoro ny Tompo ary nisy kofehy pilao teny an-tanany.

8 Hoy Iaveh tamiko: Inona no hitanao ry Amosy? Ka namaly aho hoe: Kofehy pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro aho manisy ny kofehy pilao, eo amin'Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.

9 Ny fitoerana avon'Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin'Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak'i Jeroboama amin'ny sabatra aho.

10 Ary Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: Mitetika ny hikomy aminao eo amin'ny taranak'Israely Amosy; tsy zakan'ny tany intsony ny teniny rehetra.

11 Satria izao no tenin'i Amosy: Jeroboama ho fatin'ny sabatra; ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny. 12 Dia hoy Amasiasa tamin'i Amosy: Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin'ny tanin'i Jodà, ka any hianao no mihinàna hanina; any hianao no maminania.

13 Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin'ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana. 14 Izao no navalin'i Amosy an'i Amasiasa: Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. 15 Ary nalain'ny Tompo tany aorian'ny biby fiompy aho, dia nataon'ny Tompo tamiko hoe: Mandehana hianao, maminany any amin'Israely vahoakako. 16 Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin'ny Tompo hianao: Hoy hianao hoe; Aza maminany ny hamelezana an'Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak'Isaaka!... 17 Koa izao no lazain'ny Tompo: Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin'ny famolaina, ary hianao ho faty eo amin'ny tany maloto; ary Israely hoentin-ko babo hiala amin'ny taniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463