Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Amosy

Amosy toko 8
Efa masaka hojinjan'ny fitsarana Israely - Ny fivadihana, izay nahatonga ny famaizana mafy - Hesorin'Andriamanitra amin'Israely ny teniny.

       1Izao no nasehon'ny Tompo Iaveh tamiko:
dia indreto voankazo masaka iray sobika.
       2Ary hoy izy: Inona no hitanao, ry Amosy?
Dia hoy ny navaliko: Voankazo masaka iray sobika.
Ka hoy Iaveh tamiko: Tonga ny farany
ho an'Israely vahoakako:
Tsy hamela azy intsony aho, izao sisa izao.
       3Amin'izany andro izany, ny hira ao an-dapa ho zary finaonaonana
- teny marin'ny Tompo Iaveh.
Ny faty ho betsaka,
ary hazera hatraiza hatraiza amim-pahanginana ireny.
       4Mihainoa izao, hianareo mihinana ny mahantra,
sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany,
       5manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;
mba hahazoantsika mivarotra vary;
ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary,
ka ny efah hakelezina; ny sikla hampitomboina;
ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
       6Dia novidintsika vola ny fadiranovana,
ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy,
sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?
       7Efa nianiana tamin'ny reharehan'i Jakoba Iaveh:
Raha hohadinoiko mandra-pihavin'ny farany, izay rehetra nataon'izy ireo.
       8Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany,
ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy?
Hisondrotra tahaka an'i Nila ny tany manontolo,
hisondrotra sy hietry tahaka an'i Nilan'i Ejipta izy.
       9Amin'izany andro izany, izao no hitranga,
- teny marin'ny Tompo Iaveh:
Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;
ary ny tany hosaronako aizina amin'ny andro tony tsara.
       10Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana;
ny hira fifalianareo, ho fitomaniana;
ny valahana rehetra hosikinako lasaka,
ny loha rehetra hataoko sola;
ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana;
ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
       11Indro tamy ny andro,
- teny marin'ny Tompo Iaveh,
hanirahako hanoanana amin'ny tany;
tsy mba hanoanana momba ny mofo,
na hetaheta momba ny rano,
fa ny faniriana te-handre ny tenin'ny Tompo.
       12Dia hirenireny hatrany amin'ny ranomasina izy ireo,
hatrany amin'ny avaratra, ka hatrany amin'ny atsinanana;
hivezivezy atsy ary, hitady ny tenin'ny Tompo,
nefa tsy hahita izany izy ireo.
       13Amin'izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy,
mbamin'ny tovolahy, azon'ny hetaheta.
       14Ry zareo mianiana amin'ny fahotan'i Samaria,
ka manao hoe: Amin'ny Andriamanitrao, ry Dàna!
Amin'ny làlan'i Bersabea!
dia samy ho lavo tsy haharina intsony. >