Bokin'i Amosy
Amosy toko 9
Ny otely rava, ny vahoaka enjehin'Iaveh; alàn-tombontsoa ka ampitoviana amin'ny firenena hafa - Mbola hatsangana indray anefa ny fanjakan'i Davida ka hiadana.
1Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin'ny otely aho,
ka hoy izy: Asio ny koronosy,
ary aoka hihozongozona ny tokonana;
dia torotoroy izy mamely ny lohan'izy rehetra!
Ary izay sisa dia hovonoiko amin'ny sabatra;
tsy hisy ho afaka,
tsy hisy ho afa-mandositra.
2Raha mitsofoka ho any amin'ny seoly izy ireo
hotsoahan'ny tànako avy any;
raha miakatra any an-danitra,
hampidiniko avy any.
3Raha miery any an-tampon'i Karmela izy,
hotadiaviko any, sy halaiko ihany;
ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy,
hodidiako hanaikitra any ny bibilava.
4Ary raha lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony izy,
hodidiako hamono azy any ny sabatra.
Ka hifantoka aminy ny masoko,
nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.
5Ny Tompo Iavehn'ny tafika
mikasika ny tany ka miempo izy,
ary misaona avokoa ny mponina eo aminy;
misondrotra tahaka an'i Nila izy manontolo,
ary mietry tahaka ny onin'i Ejipta, izy.
6Manao ny ambaratongany any an-danitra izy,
ary manorina ny andohalambony ety ambonin'ny tany;
miantso ny rano eo amin'ny ranomasina izy,
dia nampiely azy ety ambonin'ny tany;
Iaveh no anarany.
7Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va hianareo, raha amiko,
ry zanak'Israely, - teny marin'ny Tompo?
Moa Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta,
sy ny Filistina avy tany Kafitora, ary ny Siriana avy tany Kira?
8Indro, ny mason'ny Tompo Iaveh
mifantoka amin'ny fanjakana mpanota;
ka ho fongorana tsy ho eo ambonin'ny tany izy;
nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory
ny taranak'i Jakoba, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
9Fa indro efa hamoaka didy aho,
ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra any ny taranak'Israely
toy ny fanasivana vary amin'ny sivana,
ka tsy hisy latsaka amin'ny tany ny voa tsara.
10Ho fatin'ny sabatra avokoa ny mpanota, amin'ny vahoakako,
izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza
tsy hahatratra anay akory ny loza.
11Amin'izany andro izany ny tranobongon'i Davida efa nianjera, hatsangako indray,
ny banga hotapenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin'ny andro taloha;
12mba hananan'izy ireo izay sisa amin'i Edoma,
mbamin'ny firenena rehetra niantsoana ny anarako,
- teny marin'ny Tompo, izay manao izany zavatra izany.
13Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy;
hitete avy amin'ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
14Hampodiko indray ny babo amin'Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
15Hamboleko eo amin'ny taniny izy,
ka tsy hongotana intsony hiala amin'ny tany,
izay efa nomeko azy, hoy Iaveh, Andriamanitrao. >