Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 1, 12-14

       <12Tamin'izay izy ireo dia niverina tany Jerosalema, avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay làlana azo aleha sabata raha eo Jerosalema. 13Nony tonga dia niakatra tao amin'ilay rihana fitoerany izy ireo, dia Piera sy Joany, Jakoba sy Andre, Filipo sy Tomà, Bartelemy sy Matio, Jakoba zanak'i Alfe sy Simona Zeloty, ary Joda rahalahin'i Jakoba. 14Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin'ny vehivavy sasany, sy Maria renin'i Jesoa, ary ny rahalahiny. >