Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-11

13 Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jope, ampanalao Simona izay atao hoe Piera,

21 Nomban'ny tànan'ny Tompo izy ireo, ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo. 22 Nandre ny lazan'izany ny Eglizy tao Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabe hankany Antiokia. 23 Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin'ny Tompo amin-kerim-po. 24 Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ka vahoaka betsaka no nikambana tamin'ny Tompo. 25 Dia lasa nankany Tarsy Barnabe hitady an'i Saoly; ary nony efa hitany izy, dia nentiny hankany Antiokia. 26 Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin'io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiokia koa no voalohany nandraisan'ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.591